Fiarahamonina malagasy

Ny fiarahamonina malagasy dia ahitana taratra ny tantaran' ny firenena malagasy sy ny kolontsaina ary ny zavatra iainan' ny Malagasy eto amin' ny taniny[1][2]. Satria eo am-pihaonan' i Afrika sy i Azia no misy an' i Madagasikara dia manana ny maha-izy azy manokana izay novolavolain' ny kolontsana afrikana, aostrôneziana, arabo, eorôpeana ary indiana ny fiarahamonina malagasy[3][4][5][6]. Nisy vokany lalina tamin' ny rafitra ara-piarahamonina sy ara-pôlitika teto amin' ny Nosy koa ny fanjanahantany frantsay (1896-1960)[7][8] sy ny fanatontoloana.
Fitambarana-tsinga maro no mamolavola ny fiarahamonina malagasy izay voamariky ny fisian' ny foko samihafa, ny fomban-drazana, ny fiainana ambanivohitra ary ny faharetan' ny Malagasy manoloana ny fahasahiranana ara-tsôsialy sy ara-toekarena[2][3][9][10][11]. Na eo aza ny olana isan-karazany (fahantrana, tsy fitoviana, tsy fandriam-pahalemana, korontana ara-pôlitika) dia mbola velomin' ny fifamatorana matanjaka mifototra amin' ny fanajana sy ny firaisankina ary ny fomba amam-panao nentim-paharazana ny fiarahamonina malagasy[12][13][14][15].
Fiaviana sy foko samihafa
[hanova | hanova ny fango]
Niorim-ponenana teto Madagasikara ny Aostrôneziana (avy any Azia Atsimo-Atsinanana) tamin' ny taonarivo voalohany, ary avy eo dia tonga ny vahoaka Banto (avy atsy Afrika)[16][17]. Nivoatra teto ny fanjakana matanjaka maro toa ny an' Imerina, ny an' ny Sakalava, ny an' ny Betsimisaraka, sns[18][19][20][21][22].
Misy mponina 32 tapitrisa eo ho eo i Madagasikara tamin' ny taona 2024, mizara ho foko lehibe manodidina ny 20, samy manana ny mampiavaka azy ara-kolontsaina sy ara-piteniny ary ara-piarahamonina[23][24][25]. Anisan' ireo foko ireo ny Merina, ny Betsimisaraka, ny Betsileo, ny Tsimihety, ny Sakalava, ny Antandroy, ny Antesaka, ny Tanala, ny Mahafaly, sns[26][27][28]. Mifandray sady mifanaja araka ny fitsipi-pihavanana manokan' ny fizivana (na ziva) ireo foko ireo[29][30][31][32][33] nefa misy ihany indraindray ny disadisa eo amin' ny foko roa na maro, indrindra ny mpifanolo-bodirindrina. Misy koa indraindray ny fanavakavahana ara-poko sy ara-pirazanana eny amin' ny fiarahamonina indraindray.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Soatoavina nentim-paharazna
[hanova | hanova ny fango]
Fihavanana sy ankohonana ary fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Miorina amin' ny soatoavina matanjaka ny fiarahamonina malagasy. Anisan' izany ny fihavanana (firaisankina, filaminan' ny fiarahamonina) izay ivon' ny foto-pisainanana malagasy nentim-paharazana sady mifehy ny fifandraisana eo amin' ny tsirairay sy eo amin' ny fianakaviana ary eo amin' ny fiarahamonina[34][35][36][37][38].
Eo amin' ny Malagasy dia misy ny ankohonana izay ahitana ny ray aman-dreny sy ny zanany, izay môdely mbola manjaka eto Madagasikara[39][40]. Ao koa ny fianakaviana izay mivelatra mihoatra ny tokantrano sy ny ankohonana ka ahitana tambajotra midadasika misy ny mpinakavy, ny mpihavana, ary hatramin' ny razamben' ny raibe sy ny renibe. Soatoavina manan-danja ny firaisankina sy ny fifanampiana eo anivon' ny fianakaviana[41][42][43]. Zava-dehibe eo amin' ny Malagasy ny fianakaviana: dingana lehibe amin' ny fahazoana sata feno eo amin' ny fiarahamonina malagasy ny hoe lasa ray na reny. Mahatonga ny fanambadiana hisy heviny ny fahaterahan' ny zaza iray[44][45][46][47].
Fanajana ny zokiolona
[hanova | hanova ny fango]Mitoetra ho ivon' ny firindrana eo amin' ny fiarahamonina ny fanajana ny zokiolona (raiamandreny) sy ny mpitondra nentim-paharazana (mpanandro, tangalamena) indrindra any ambanivohitra[48][49][50]. Amin' ny ankapobeny dia misy ambaratongam-pahefana ny fiarahamonina malagasy. Miorim-paka lalina ny fanajana ny taona sy ny zokiolona ary ny manam-pahefana, ary misy fiantraikany amin' ny fifandraisana ara-tsôsialy sy amin' ny fandraisana fanapahan-kevitra izany[2][51].
Sarangam-poko
[hanova | hanova ny fango]Mbola hita taratra eo amin' ny toetsain' ny Malagasy ao amin' ny faritra sasany ny fisian' ny sarangam-poko taloha (andriana, taranak' andevo sns)[52][53][54][55].
Singa ara-kolontsaina hafa
[hanova | hanova ny fango]Fiteny
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny malagasy, izay anisan' ny fianakaviam-piteny aostroneziana, no fitenim-pirenena sy fiteny ôfisialy, izay anisan' ny fototra iorenan' ny firaisam-pirenen' ny Malagasy. Fiteny ôfisialy koa ny fiteny frantsay, indrindra eo amin' ny fitantanan-draharaha sy ny fanabeazana. Saika ny Malagasy rehetra monina eto Madagasikara dia miteny malagasy, ary misy ny fiovaovan' io fiteny io isaky ny faritra.
Zavakanto sy taozavatra
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny lafiny mozika sy dihy dia mampiasa zavamaneno nentim-paharazana isan-karazany ny Malagasy (valiha, kabosy), ary manana karazana mozika toy ny salegy, ny hiragasy, sns. Raha momba ny nahandro kosa dia mifototra amin' ny vary sy ny anana ary hena na trondro ny sakafo malagasy ka hita taratra ao amin' izany ny fanao afrikana sy aziatika ary eorôpeana. Tena mivoatra ny asa tanana (fandrariana, sary sokitra, peta-kofehy, fipaihana vatosoa).
Fivavahana nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]Ny ampahany be amin' ny mponina dia manaraka fivavahana nentim-paharazana izay anjakan' ny fivavahana amin' ny razana. Ny razana dia heverina ho mpanelanelana amin' ilay Andriamanitra fara tampony (Zanahary na Andriamanitra) sy ny velona. Ny mpifanarahina amin' ny fomban' ny razana ny fanapahan-kevitra manan-danja amin' ny fomban' ny razana[56][57][58][59][60].
Kristianisma sy silamo
[hanova | hanova ny fango]Manodidina ny 40–45 % amin' ny Malagasy no kristianina (Katôlika, Prôtestanta sns).Misy ny manaraka ny finoana silamo, indrindra ny mponina any any avaratra-andrefana. Fanao mahazatra ny Malagasy maro ny mampifangaro ny finoan-drazana amin' ny finoaa kristiana na amin' ny finoana silamo (sinkretisma).
Fomban-drazana sy fandrosoana
[hanova | hanova ny fango]
Mbola mitana anjara toerana lehibe ny fomban-drazana hita eo amin' ny fombafomba fandevenana (toy ny famadihana sy ny maro hafa) sy ny fady (momba ny sakafo, ny toerana, ny fitondran-tena sns) ary ny fombam-poko izay mbola tena voahaja, indrindra any ambanivohitra. Na izany aza dia mirona kokoa amin' ny kolontsana tandrefana ny tanora eny an-tanàn-dehibe - indrindra any amin' ny tanàn-dehibe toa an' Antananarivo, Toamasina, Antsiranana, sns - izay indraindray ifandroritan' ny fomban-drazana malagasy sy ny fombam-piainana môderina.
Nisy fiantraikany teo amin' ny fiarahamonina malagasy amin' izao fotoana izao ny fomba fiainana môderina sy ny fivavahana voalamina (indrindra ny kristianisma sy ny silamo), nefa voatahiry ny finoana sy fomba amam-panao nentim-paharazana maro.
Ny anjara toeran' ny vehivavy
[hanova | hanova ny fango]
Manana anjara toerana nentim-paharazana lehibe ao amin' ny fianakaviana sy ao an-tokantrano ny vehivavy malagasy. Any amin' ny foko sasany dia afaka mandova, mitantana fananana, na mitarika lanonana lehibe mihitsy aza ny vehivavy. Na izany aza dia mbola mitohy ny olana momba ny fitovian' ny lahy sy ny vavy sy ny fahazoana fanabeazana ary ny fahazoana asa ara-dalàna.
Toekarena sy pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Toekarena sy mponina
[hanova | hanova ny fango]Miaina any ambanivohitra ny ankamaroan' ny Malagasy. Na dia mitombo aza ny sehatry ny serivisy dia mbola miankina amin' ny fambolena sy ny fiompiana ihany ny ampahany be amin' ny mponina amin' ny fivelomany. Manodidina ny 70 % amin' ny mponina no mivelona amin' ny fambolena (vary, lavanila, kafe) sy ny fiompiana. Manjaka ny fiharian-karena ivelan' ny ara-dalàna (mpivarotra madinika, asa tanana, sns.).
Latsaky ny 15 taona ny ampahany be amin' ny Malagasy. Miovaova be ny sokajin' olona ao amin' ny tokantrano sy ny fomba fiaina eo amin' ny faritra ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe.
Fiainana ara-pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Ankehitriny dia miasa ny fiarahamonim-pirenena nefa voasembantsemban' ny tsy fahamarin-toerana ara-pôlitika. Mifandimby ny fanantenana demôkratika sy ny krizy pôlitika (fanonganam-panjakana, fanoherana ny voka-pifidianana). Mitana anjara asa lehibe ny fokonolona eo amin' ny fiarahamonina eny amin' ny fokontany.
Fanamby sy ny olana ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]
Betsaka ny fanamby sy ny olana atrehin' ny fiarahamonina malagasy ka anisan' izany ny tsy fitoviana ara-tsôsialy: olana lehibe ny fahantrana, indrindra ny any ambanivohitra; be lavitra ny mahantra (mihoatra ny roa ampahatelon' ny Malagasy no miaina ambanin' ny tokonam-pahantrana); mivangongo eny an-tanàn-dehibe ny harena (indrindra ao Antananarivo sy ao Toamasina).
Eo amin' ny lafiny fanabeazana dia mbola maro ny tsy tafiditra amin' ny fampianarana manaraka fenitra. Misy olana ihany koa ny lafiny ara-pahasalamana: tsy ampy ny fotodrafitrasam-pitsaboana any amin' ny faritra maro eto Madagasikara.
Mitombo haingana ny tanàn-dehibe tsirairay, nefa matetika amin' ny fomba tsy voalamina izany fitomboana izany. Misy ny fifindran' ny mponina avy any ambanivohitra mankany an-tanàn-dehibe, ka miteraka fiovana eo amin' ny rafitra sôsialy izany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Daily life and social customs in Madagascar in Cultural life", www.britannica.com
- 1 2 3 "Malagasy culture: Traditional Culture in Madagascar", www.wildmadagascar.org
- 1 2 "The Malagasy", www.wildmadagascar.org
- ↑ "The Culture of Madagascar: A Rich Tapestry of Tradition and Diversity", evisa-madagascar.it.com
- ↑ "The Rich Tapestry of Madagascar's Cultural Heritage", www.mexicohistorico.com
- ↑ "Madagascar – How Creole culture has embedded itself into the community", kreolmagazine.com
- ↑ "A Historical Timeline for Madagascar", www.wildmadagascar.org
- ↑ "A decolonial reading of Madagascar’s national cultural policy", www.pasiri.org
- ↑ "Malagasy culture: traditions and unique diversity", cultures.fr
- ↑ "Madagascar: Island of Diversity", awaymag.com
- ↑ "Tribes of Madagascar", www.madamagazine.com
- ↑ "Visages d'exclusion à Madagascar : une tentative d'analyse des dynamiques d'exclusion sociale et de leurs conséquences sur les acteurs", shs.cairn.info
- ↑ "La solidarité malgache : un pilier culturel à connaître", www.madagascar-voyage.fr
- ↑ "Madagascar the unstable", www.thefec.org
- ↑ "Socioculturel : Madagascar entre le paraître et la paresse", www.gasigasy.mg
- ↑ "Crop remains point to surprising early colonisers of Madagascar", www.ox.ac.uk
- ↑ "A complete history of Madagascar and the island kingdom of Merina.", www.africanhistoryextra.com
- ↑ "Madagascar", universalium.en-academic.com
- ↑ "history of Madagascar", www.britannica.com
- ↑ "The Kingdoms of Madagascar", courses.lumenlearning.com
- ↑ "African Kingdoms - East Africa", www.historyfiles.co.uk
- ↑ "Kingdoms of Madagascar: Maroserana and Merina", www.metmuseum.org
- ↑ "Madagascar 2024", www.populationpyramid.net
- ↑ "Madagascar Population (LIVE)", srv1.worldometers.info
- ↑ "Demographics of Madagascar", statisticstimes.com
- ↑ "Ethnic groups in Madagascar", www.britannica.com
- ↑ "Malagasy peoples", www.britannica.com
- ↑ "Ethnic Groups Of Madagascar", www.worldatlas.com
- ↑ "Arts and cultures in Madagascar", artsandculturesinmadagascar.blogspot.com
- ↑ "Le Fihavanana : Une Valeur Fondamentale de la Culture Malgache", diego-guide-excursions.com
- ↑ "Ny Ziva", tanikomadagascar.com
- ↑ "Dikan'ny teny : ziva", www.rakibolana.org
- ↑ "Ziva", tenymalagasy.org
- ↑ "Le fihavanana : Mythes et réalités d’une valeur garante de la paix sociale", www.observatoirepharos.com
- ↑ "L’Intérêt des malgaches pour les événements à Madagascar : l’esprit du « fihavanana »", kasaina-event.com
- ↑ "Le fihavanana, le reflet de l’esprit d’entraide et de partage à Madagascar", generationvoyage.fr
- ↑ "Le Fihavanana : Une Valeur Fondamentale de la Culture Malgache", diego-guide-excursions.com
- ↑ "Le Fihavanana à Madagascar : lien social et économiques des communautés rurales", shs.cairn.info
- ↑ "Evolution des structures familiales malgaches et prise en charge des enfants à Madagascar : une analyse à partir des Enquêtes Démographiques et de Santé (EDS)", bettercarenetwork.org
- ↑ "L’importance de la famille dans la culture malgache", www.madagascar-voyage.fr
- ↑ "Fihavanana – La vision d’ une société paisible à Madagascar", uvhw.de
- ↑ "The importance of the Malagasy extended family", www.madagascartravel.com
- ↑ "Social Structure and Family in Madagascar", www.wildmadagascar.org
- ↑ "Devenir parent en milieu Malgache. Évolution dans la province d'Antananarivo", www.persee.fr
- ↑ "Les coutumes de mariage à Madagascar : un parcours culturel fascinant", www.madagascar-voyage.fr
- ↑ "L’importance de la famille à Madagascar : cultivez des liens authentiques", www.madagascar-voyage.fr
- ↑ "La culture intéressante du mariage traditionnel malgache", www.lhebdomada.com
- ↑ "Malagasy Values: Attitude Towards Age", malagasyculturalvoices.blogspot.com
- ↑ "Local Customs & Etiquette in Madagascar: A Guide for Traveler", www.vivytravel.com
- ↑ "Mpanandro Malagasy", www.vivytravel.com
- ↑ "Cultural Considerations in Madagascar", www.rivermate.com
- ↑ "Madagascar", v3.elogeo.com
- ↑ "La géographie invisible de la ville : l’inscription des castes dans l’espace urbain à Tananarive (Madagascar)", books.openedition.org
- ↑ "Des différences sociales jusqu’au sein des castes", lexpress.mg
- ↑ "Noblesse malgache", wikimonde.com
- ↑ "Traditional Beliefs and Religion in Madagascar", www.wildmadagascar.org
- ↑ "Le culte des ancêtres à Madagascar : pratiques et croyances", madagascar-decouverte.net
- ↑ "Unlocking the Mysteries of Madagascar’s Indigenous Culture and Traditions", www.ask.com
- ↑ "A Madagascar, anciennes croyances et coutumes.", www.persee.fr
- ↑ "Madagascar, un pays polyculturel", www.ile-rouge.com