Fiangonana tany Tiatîra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiangonana tany Tiatira)
Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Ny Fiangonana tany Tiatîra na Eglizin' i Tiatira dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.

Toerana nisy azy ara-bakiteny[hanova | hanova ny fango]

I Tiatîra dia tanàna niorina 80 km miala ny Ranomasina Egea. I Seleokôsy I Nikatôra no nanome anarana io tanàna io.

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

18 Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Tiatira: Izao no lazain' ny Zanak' Andriamanitra, izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:

19 Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Manan-teny kely aminao anefa aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin'ny sampy. 21 Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany. 22Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23 Hasiako amin'ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra. 24 Ary indreo hianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako entana hafa hianareo, 25 fa tano mafy aloha izay anananareo, mandra-pihaviko.

26 Ary izay handresy ka haharitra amin'ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana amin'ny firenena; 27 hifehy azy amin'ny tehim-by izy, ary hanorotoro azy, toy ny vilany tany, 28 araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. (Apô 2.18-29, Ny Baiboly Masina)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]