Fiangonana Vaovao (Swedenborg)
Ny Fiangonan' i Jerosalema Vaovao na soedenbôrgianisma na Fiangonana Vaovao dia antokom-pivavahana kristiana maro mifandray ara-tantara, izay nivoatra teo ambany fitarihan' ny teôlôjian' i Emanuel Swedenborg (1688–1772). Ity firehana ity dia heverina ho anisan' ny kristianisma restaurasiônista. Atao hoe New Jerusalem Church na The New Church izy io amin' ny teny anglisy.
Mifantoka amin' ny fitantarana ny fihemorana ara-tantaran' ny kristianisma noho ny fahaverezan' ny "hevitra anaty" ao amin' ny Soratra Masina - izay nosoloan' ny fahatakarana ivelany ny amin' ny finoana - ny asasoratr' i Swedenborg. Ao amin' izany toe-javatra izany, ny finoana sy ny asa tsara dia lasa fisehoana ivelany entanin' ny fatahorana ny helo, ny faniriana hahazo fitahiana ara-nofo, hahazo fankatoavana manokana, ary hahazo zavatra hafa araka an’izao tontolo izao, izay tsy ahitana tena foto-javatra ara-panahy. Nanoratra betsaka momba ny famonjena ihany koa i Swedenborg izay lazainy fa amin' ny alalan' ny dingan' ny "fahaterahana indray" (fa tsy amin' ny alalan' ny finoana na ny asa irery), izay ahafahan' ny olona manaiky ny fahamarinana avy amin' ny Tompo ao amin' ny "izaho anaty" (na momba ny any ambony), izay mifehy ny "izaho ivelany" (na momba ny eto an-tany) amin' ny fametrahana ny fitiavany ambony indrindra ao amin' ny hatsarana sy ny fahamarinana fa tsy ao amin' ny faniriana ny zavatr' izao tontolo izao sy ny faharatsiana ary ny lainga izay manompo izany rehetra izany.
Vokatr' iazany dia tsy nahavita nanamora ny fahaterahan' ny olombelona indray ny kristianisma - amin' ny toe-javatra misy azy ankehitriny, araka ny nofaritan' i Swedenborg - ka nahatonga ny fahatsapana fa midina ho amin' ny tsy fahalalana sy ny fahotana ny zanak' olombelona. Nihevitra i Swedenborg fa efa nanomboka ny fiavian' i Kristy fanindroany ara-panahy, izay nanamarika ny fiantombohan' ny Fiangonana Vaovao sady nanolotra lalana nohavaozina ho amin' ny fahaterahana indray.

Manolotra teôlôjia miorina amin' ireo finoana ireo ny Fiangonana Vaovao, sady manolotra hevitra sy lohahevitra maro nambaran' ny mpandinika sy teôlôjia kristiana maro tany am-boalohany sy ankehitriny. Ny Fiangonana Vaovao dia misaraka amin' ny kristianisma mahazatra, tsy amin' ny eskatôlôjia ihany, fa indrindra amin' ny fandavana ny Trinite na Andriamanitra telo izay iray izay heveriny fa finoana andriamanitra maro (pôliteisma), ka manohana kosa ny fahaterahan' i Kristy miaraka amin' ny "sain' Andriamanitra" na "fanahy" sy vatan' olombelona, sady mitsipaka ny fananany persôna manokana ary manandratra ny endrik' olombelona ananany amin' ny alalan' ny kenosis ("fietrena"). Nisy fiantraikany amin' ny hetsika ara-panahy sy ara-pilôzôfia maro hafa ny teôlôjian' ny Fiangonana Vaovao, anisan' izany ny New Thought ("fisainana vaovao") sy ny American Transcendentalism ("transendentalisma").