Fiangonana Fondamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana Fondametalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany dia hetsika vokatry ny môrmônisma, teraka tany Etazonia tamin' ny taona 1954 amin' ny endriny ankehitriny. Tany am-piandohan' ny taompolo 2000 dia tokony ho 10 000 ny mpanaraka ilay hetsika, na dia nihena aza ny isan' ny mpanaraka tato anatin' ny taona vitsivitsy. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe Fundamentalist Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, nohafohezina hoe FLDS. Ity fiangonana ity dia indraindray antsoina hoe "Môrmôna Fondamentalista". Anisan' ny zavatra mampiavaka azy ny fihazonany ny fammpirafesana.