Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara dia iray amin'ny endriky ny fiangonana batista izay miorina eto Madagasikara izay isan'ny atao hoe fiangonana protestanta sady ara-pikazantsara.

Tantarany[hanova | hanova ny fango]

Tonga teto amin'ny Nosy tamin'ny alalan'ny Misiona Biblikan'i Madagasikara tamin'ny taona 1932 ny finoana batista. Ilay misionera anglisy, atao hoe Brinley Evans, sy ny vadiny no nirahina tamin'izany. Ny trano fiangonana batista voaorina voalohany dia ny ao Ankadivato tamin'ny taona 1935 izay nanombohan'ny fampielezana ny finoana batista eto Madagasikara. Nody tamin'ny taona 1944 i Brinley Evans mivady. Novana anarana ka natao hoe "Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara" tamin'ny taona 1963 ny fiangonanana najoron'ny Misiona Biblikan'i Madagasikara[1].

Fandaminana[hanova | hanova ny fango]

Mahaleo tena amin'ny lafiny rehetra (fitantanana sy fombam-pivavahana) ny fiangonana batista biblika tsirairay nefa izy rehetra, izay miisa 100, dia mivondrona ao amin'ny atao hoe Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara (FFBBM) tarihin'ny Filan-kevi-pitantanan'ny FFBBM izay miara-mivory in-droa isan-taona miaraka amin'ny solon-tena isam-piangonana. Fidin'ny mpikambana ao amin'ny fiangonana tsirairay ny olona hatao mpitandrina ao amin'ny fiangonany. Nankalaza ny faha-80 taonany ny FFBBM tamin'ny taona 2013. Misy 65 ny fiangonana mikambana ao amin’ny FFBBM[2].

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Ny tantaranay" - Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara
  2. "Sanitation and hygiene in developing countries: A case study from Madagascar identifying and responding to barriers" in Overseas Developpement Institute