Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy. Ny filohan' ny fiangonana dia mitondra ny anaram-boninahitra hoe Patriarkan' i Eritrea sady manana ny trano fonenany ao Asmara. Teo ambany fahefan' ny Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.