Hankany amin'ny vontoatiny

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedô

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedô dia isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana sady ao amin' ny Fiombonan' ny Fiagonana Ôrtôdôksa Tatsinanana. Izy no fiangonana ôrtôdôksa miely indrindra ao Etiôpia sy ao Eritrea. Hatramin' ny nisiany ka hatramin' ny taona 1959 dia teo ambany fandraharahan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedô. Nahazo ny fahaleovan-tenany ara-pitondrana izy taorian' io taona io ka manana ny patriarkany manokana. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ka nisaraka tamin' i Etiôpia i Eritrea tamin' ny taona 1993 dia nahazo ny fahaleovan-tenany koa ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedô Eritreana ka tafasaraka tamin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedô Etiôpiana. Miavaka ny fiangonana teoahedô noho ny hamaron' ny boky tafiditra ao amin' ny Baiboly ampiasainy izay mihoatra lavitra noho ny hita ao amin' ny Baibolin' ny fiangonana hafa na Katôlika na Ôrtôdôksa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]