Fianakaviam-piteny aostrôaziatika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny aostroaziatika)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Lenguas austro-asiáticas.png

Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin'ny faritra atsinan'i India. ny teny hoe aostroaziatika dia avy amin'ny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostroaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelanin'ny faritra itenanana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fitenin'ny tompon-tany ao Azia Atsimo-Atsinanana sy ny atsinanan'i India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohan'ireo fiteny tai-kaday, fiteny aostrôneziana, fiteny sinô-tibetàna ary fiteny indo-eorôpeana izay nentin'ny mpiavy taty aoriana. Miisa any amin'ny 100 000 000 any ho any ny mpiteny aostroaziatika tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21.

Ny sampan'ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny sampan'ny fianakaviam-piteny aosroaziatika: ireo fiteny monda, ireo fiteny kasika, ireo fiteny palaongika, ireo fiteny kmoika, ireo fiteny pakanika, ireo fiteny vietnamita, ireo fiteny katoika, ireo fiteny banarika, ireo fiteny kamboiana, ireo fiteny pearika, ireo fiteny nikobarey, ireo fiteny asly, ireo fiteny môna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny[hanova | hanova ny fango]