Fetin' ny Ray
Fiseho

Ny Fetin' ny Ray dia fety isan-taona ankalazaina any amin' ny firenena maro ho fanomezam-boninahitra ny ray. Amin' io fotoana io dia manome fanomezana, mofomamy, voninkazo, na zavatra vitany any am-pianarana na any an-trano ny zanaka (na ankizy na olon-dehibe). Tsy mitovy ny datin' ny Fetin' ny Ray arakaraka ny firenena tsirairay, saingy misafidy ny hankalaza izany ny ankamaroan' izy ireo amin' ny volana Jona.