Fefiloha fanangonana faikam-pitrandrahana

Ny fefiloha fanangonana faikam-pitrandrahana dia fefiloha matetika vita amin' ny tany izay natao hanangonana ny fakom-pitrandrahana, izay mety mifangaro amin’ ny rano na tsia, ary tavela aorian’ ny fanodinana ny akora notrandrahina, Ny faikam-pitrandrahana dia mety ho ranoka, vainga, na fotaka misy poti-javatra madinidinika, ary matetika misy poizina be sy mety radiôaktifa. Ny faikam-pitrandrahana mivaingana dia matetika ampiasaina ho ampahany amin' ilay fefiloha. Ny fefiloha toy izany dia mety ho vaky indraindray, ka miteraka loza ara-tontolo iainana.
Misy karazany telo izany fefiloha izany: mitodika an' irà (any ambony), mitodika an' avà (any ambany) na eo afovoany. Heverina ho mampidi-doza indrindra ary niteraka loza tao Mariana sy Brumadinho ny fefiloha an' irà, na dia misy loza ihany koa aza amin' ny karazana fefiloha hafa. Noraràn' i Brezila sy i Sily ny fanamboarana fefiloha itodika an' irà ary ny dimampolo ao amin' ny fanjakana breziliana ao Minas Gerais dia tsy maintsy hatsahatra amin' ny taona 2035.
Natao ho fitehirizana maharitra ny fefiloha fanangonana faikam-pitrandrahana, izany hoe natao hijanona eo amin' ny toerana misy azy mandrakizay. Mamokatra fako isan-karazany ny Ny fitrandrahana varahina sy volamena sy oraniôma ary ny fitrandrahana hafa, ka isy poizina ny ankamaroany, izay miteraka fanamby isan-karazany amin' ny fitahirizana maharitra.