Fasan' i Davida
Fiseho
Ny Fasan' i Davida dia toerana heverina ho nandevenana an' i Davida, mpanjakan' i Israely. Amin' ny teny hebreo izany dia atao hoe קבר דוד המלך / Kever David Hamelekh, izay midika hoe "Fasan' i Davida Mpanjaka".
Eo amin' ny tendrombohitra Ziôna na Siôna any Jerosalema no misy azy io, akaikin' ny Abein' ny Torimason' ny Renin' Andriamanitra. Eo amin' ny zoron' ny Hagia Sion fahiny, izay fiangonana bizantina, no misy ilay fasana. Lovantsofina bizantina tamin' ny taonjato faha-4 no mahatonga an' io toerana io ho toerana misy ny Efitrano Ambony sady ny toeram-pivorian' ny Kristianina voalohany. Mikambana ao amin' ny Yeshivat Hatefutsot izao ilay tranobe.