Faritra Neôtrôpikaly
Fiseho

Ny Faritra Neôtrôpikaly na dia iray amin' ny faritra biôjeôgrafika an-tanety valo. I Alfred Russel Wallace dia mamaritra ny fizaran-tany biôjeôgrafika mifanitsy amin' ny Neotropis, izay anarana nomena ny ampahany amin' ny Tany manambatra an' i Amerika Afovoany, an' i Karaiba, an' i Amerika Atsimo, ary ny vondro-nosy Galápagos. Ahitana an' i Amerika Atsimo sy i Amerika Afovoany hatrany atsimon' i Meksika ny Faritra Neôtrôpikaly. Tsy mitovy amin' ny an' ny Faritra Nearktika ny biby sy ny zavamaniry ao aminy noho ny fisarahana eo amin' ny kôntinanta roa.