Hankany amin'ny vontoatiny

Faritra Afrôtrôpikaly

Avy amin'i Wikipedia
Faritra Afrôtrôpikaly

Ny Faritra Afrôtrôpikaly dia iray amin' ny faritra biôjeôgrafika valo an-tanety. Izy io dia mifanitsy amin' i Afrika atsimon' i Sahara ary ahitana an' i Madagasikara sy Arabia atsimo. Ho an' ny sasany dia mbola ahitana ny ilany atsimon' i Iràna sy y ilany atsimo-andrefan' i Pakistàna, ary koa ny nosy ao amin' ny ilany andrefan' ny Ranomasimbe Indiana ity faritra ity.

Amin' ny heviny tery kokoan ity faritra ity ampahany amin' i Afrika izay eo anelanelan' ny Zana-pehintany Asorotany sy ny Zana-pehintany Adijady ny ankabeazany, izay ahitana firenena miisa 47.

Ny firenena enina any Afrika Avaratra (Marôka, Alzeria, Tonizia, Libia, Ejipta, Sodàna) ary ny dimy any faritra atsimo (Afrika Atsimo, Lesôtô, Soazilandy, Namibia, Bôtsoana) dia faritra sontrôpikaly ary tena miavaka ny karazan-javamaniry ao aminy (karazan-javamaniry mediteraneana sy karazan-javamaniry any Cape). Misy karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Oleaceae teratany, ao amin' ny zana-bondron-karazana Ligustroides.

I Madagasikara sy ny nosy manodidina azy dia ahitana zana-paritra miavaka ao amin' io faritra io, misy karazan-javamananaina tsy fahita firy, toy ny Lemuriformes (maky, gidro, varika, sns). I Madagasikara sy i Seisely dia ampahany tranainy amin' ny kôntinenta lehibe Gondwana izay nisaraka tamin' i Afrika manodidina ny 120 tapitrisa taona lasa izay. Ny nosy hafa any amin' ny Ranomasimbe Indiana, toa ny vondronosy Kômôro sy ny vondronosy Maskarena, dia avy amin' ny volkano ary vao haingana no niforona.

Ny faritr' i Cape, any amin' ny ilany atsimon' i Afrika, dia mifanitsy amin' ny toetany mediteraneana. Izy io dia fonenan' ny karazan-javamananaina tsy manam-paharoa sy fianakaviana maro toa ny Proteaceae, izay hita ao amin' ny faritra aostralaziana ihany koa.