Hankany amin'ny vontoatiny

Farihy Superior

Avy amin'i Wikipedia
Ny farihy Superior

Ny farihy Superior dia farihy ao afovoan' i Amerika Avaratra, anisan' ny Farihy Lehibe dimy. Atao hoe Lake Superior izy amin' ny teny anglisy. Ny farihy Superior no avaratra indrindra sy ny andrefana indrindra ary ny amin' ny toerana avo indrindra amin' ny Farihy Lehibe dimy, ary mamakivaky ny sisin-tany manasaraka an' i Kanada sy i Etazonia miaraka amin' ny faritanin' i Ontario (Kanada) any avaratra sy atsinanana, ny fanjakan' i Minnesota (Etazonia) any andrefana ary ny fanjakan' i Michigan (Etazonia) sy ny fanjakan' i Wisconsin (Etazonia) any atsimo.

Ny farihy Superior, amin' ny loko tsy tena izy

Io no farihy lehibe indrindra eran-tany amin' ny velarany ary farihy fahatelo lehibe indrindra amin' ny hadirin' ny ranomamy, izay ahitana ny 10 % amin' ny ranomamy ao amin' ny renirano sy farihy rehetra eran-tany. Mivarina any amin' ny farihy Huron amin' ny alalan' ny renirano St. Marys ny ranony, avy eo amn' ny alalan' ny Farihy Lehibe any ambany hatrany amin' ny renirano St. Lawrence ary amin' ny farany any amin' ny Ranomasimbe Atlantika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]