Farihy Ontario

Ny farihy Ontario dia iray amin' ny Farihy Lehibe dimy any Amerika Avaratra. Voafaritry ny faritanin' i Ontario any Kanada, ao avaratra sy ao andrefana ary ao atsimo-andrefana izy, ary voafaritry ny fanjakan' i New York ao atsimo sy atsinanana any Etazonia. Atao hoe Lake Ontario izy amin' ny teny anglisy fa Lac Ontario kosa amin' ny teny frantsay. Eo afovoan' ilay farihy ny sisin-tany manasaraka an' i Kanada sy i Etazonia. Ny tanàn-dehibe ao amin' ny lafiny kanadiana dia i Kingston, i Mississauga, i Toronto, i Hamilton, ary i St. Catharines. I Rochester sy i Watertown no tanàn-dehibe ao amin' ny lafiny amerikana.

Ny farihy Ontario, izay laharana farany ao amin' ny rojon' ny Farihy Lehibe, dia fivoahan' ny rano mankany amin' ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny alalan' ny ony Saint Lawrence, ka mamorona ny tendro farany andrefana amin' ny lalan-dranomasin' i Saint Lawrence. Ny reniranon' i Niagara avy any amin' ny farihy Erie no sakelidranony lehibe. Mandrindra ny haavon' ny rano amin' ilay farihy ny tohodrano Long Sault sy ny tohodrano Moses-Saunders izay fakana angovo.