Farihy Michigan

Ny farihy Michigan dia iray amin' ny Farihy Lehibe dimy any Amerika Avaratra. Io no farihy faharoa lehibe indrindra amin' ny Farihy Lehibe amin' ny hadiriny ary fahatelo lehibe indrindra amin' ny velarany aorian' ny farihy Superior sy ny farihy Huron. Atao hoe Lake Michigan izy amin' ny teny anglisy. Io no hany iray amin' ny Farihy Lehibe ao anatin' ny fizaran-tanin' i Etazonia tanteraka, ny hafa dia ifampizarany amin' i Kanada.

Manamorona azy io, manomboka any andrefana ka hatrany atsinanana, ao amin' ny fanjakan' i Wisconsin, amin' ny fanjakan' i Illinois, amin' ny fanjakan' i Indiana ary amin' ny fanjakan' i Michigan. Somary kely kokoa noho ny fanjakan' i West Virginia ilay farihy. Izy io no nanome ny anarany ho an' ny fanjakana amerikanan' i Michigan.