Hankany amin'ny vontoatiny

Farihy Huron

Avy amin'i Wikipedia
Ny farihy Huron

Ny farihy Huron dia iray amin' ny Farihy Lehibe dimy any Amerika Avaratra. Atao hoe Lake Huron izy amin' ny teny anglisy. Izy io dia manasaraka ny fanjakan' i Michigan amin' ny faritany kanadianan' i Ontario. Ny anaran' ilay farihy dia avy amin' ny mpikaroka frantsay tany am-boalohany izay nanome anarana azy io ho fanomezam-boninahitra ny vahoaka teratany fantatr' izy ireo amin' ny anarana hoe Huron (izany hoe ny Oendata) monina ao amin' ilay faritra.

Sarintanin' ny farihy Huron sy ny Farihy Lehibe hafa

Amin' ny lafiny hidrôlôjika, ny farihy Huron no ilany atsinanan' ny farihy Michigan-Huron, izay manana ny vekarana dia mitovy amin' ny farihy Michigan, izay mifandray aminy ao amin' ny andilan-dranon' i Mackinac izay manana sakany 8 km sy halalina 37 m. Ny farihy Michigan-Huron no farihin-dranomamy be velarana indrindra eto an-tany.

Ny helodrano Georgian, izay ilany atsinanana indrindra amin' ny farihy Huron, voafaritry ny saikinosy Bruce sy ny nosy Manitoulin, dia ao anatin' i Kanada manontolo; eo amin' ny morony no ahitana ny dia ny valan-javaboary Algonquin Provincial Park. Ny helodrano Saginaw, izay ampahany atsimo-andrefana, dia ao Etazonia manontolo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]