Farara
Fiseho
Ny farara dia zavamaneno vita amin’ ny tahon-bary, mamoaka feo mafy sy maranitra izay azo ovaovaim-peo arakaraka ny halavan’ ny taho. Ny ankizy ao afovoan-tanin' i Madagasikara no mampiasa azy io rehefa milalao. Farara maromaro no ilaina raha tiana ny hahazo feonkira amin' ny alalan' ny fitsofana azy ireo mifandimby.