Fanoratana ny teny hebreo amin' ny litera latina

Ny fanoratana ny teny hebreo amin' ny abidy latina dia famadihana ny teny hebreo izay nosoratana na tokony hosoratana amin' ny abidy hebreo ho amin' ny fanoratana mampiasa litera latina. Mampiasa ny abidy hebreo miaraka amin' ny mari-tsoratra maneho zanapeo izay azo soratana na tsia ny fiteny hebreo. Efa hatry ny ela no nampiasana ny abidy latina mba hanehoana ny teny hebreo. Ohatra, ny anarana hebreo hoe יִשְׂרָאֵל ("Israel") dia azo atao soratina amin' ny abidy latina hoe Yisrael na Yiśrāʼēl koa, ankoatra ny hoe Israel. Miankina amin' ny taranja sy/na ny zava-misy manodidina ny tena fifandraisana misy eo amin' ireo abidy roa ireo. Na izany aza, amin' ny ankapobeny dia azo faritana soa aman-tsara ny fandikana litera ho fanehoana ny teny avy amin' ny rafi-panoratana iray ho amin' ny rafi-panoratana iray hafa. Ampahany amin' ny fandikana litera, manondro manokana ny fanehoana ireo soratra tsy latina ho amin' ny rafi-panoratana latina, ny fanoratana ny teny hebreo amin' ny litera latina.
Ny abidy hebreo
[hanova | hanova ny fango]Ny litera ao amin' ny abidy hebreo
[hanova | hanova ny fango]Ny abidy hebreo dia fitambarana litera miisa 22 tsy ahitana zanatsoratra izay anoratana ny fîteny hebreo. Tsy misy ny fanavahana ny sorabaventy sy ny soramadinika. Taty aoriana vao nisy marika miendri-teboka atao hoe nikkud izay amantarana ny zanapeo.
| Litera hebreo | Anarany amin' ny fanoratra hebreo | Anarany amin' ny fanoratra latina | Fanononana ny litera | Litera latina manakaiky fanononana | |
| 1 | א | אָלֶף | Alef | [ʔ] (feo an-danilany) | Tsy misy litera mifanandrify aminy nefa azo soratana hoe « ’ » |
| 2 | ב | בֵּית | bet | [b] na [v] | b na v (arakaraka ny fisian' ny dagesh) |
| 3 | ג | גִּימֵל | gimel | [g] | g na gh |
| 4 | ד | דָּלֶת | dalet | [d] | d na dh (arakaraka ny fisian' ny dagesh) |
| 5 | ה | הֵא | he | [h] na tsy tononina | h |
| 6 | ו | וָו | vav | [v] na [w] | v na w |
| 7 | ז | זַיִן | zayin | [z] | z |
| 8 | ח | חֵית | het | [ħ] | kh |
| 9 | ט | טֵית | tet | [tʼ] | t |
| 10 | י | יוֹד | yod | [i] na tsy tononina | i (zanapeo) na y (renifeo) |
| 11 | כ na ך | כַּף | kaf | [k] | k na kh (arakaraka ny fisian' ny dagesh) |
| 12 | ל | לָמֶד | lamed | [l] | l |
| 13 | מ na ם | מֵם | mem | [m] | m |
| 14 | נ na ן | נוּן | nun | [n] | n |
| 15 | ס, | סָמֶך | samekh | [s] | s |
| 16 | ע | סָמֶך | ayin | [ʕ] | Tsy misy litera mifanandrify aminy, azo soratana hoe «ʿ » na « ‘ » |
| 17 | פ na ף | עַיִן | pe | [p] | p na ph na f (arakaraka ny fisian' ny dagesh) |
| 18 | צ na ץ | צַדִי | tsade | [ts] na [sˤ] | ts |
| 19 | ק | קוֹף | kof | [q] na [kʼ] | k na q |
| 20 | ר | רֵישׁ | resh | [r] | r |
| 21 | ש | שִׁין | shin | [ʃ] | s na sh (arakaraka ny toeran' ny dagesh) |
| 22 | ת | תּו | tav | [t] na [θ] | t na th (arakaraka ny fisian' ny dagesh) |
Ny fanononana ny litera hebreo
[hanova | hanova ny fango]Aseho anaty fononteny tsotra () ny endriky ny litera fa anaty fonon-teny mahitsy [ ] ny fanononana azy.
- Alef (א): [ʔ] (feo an-danilany)
- Bet (ב): [b] (na [v])
- Gimel (ג): [g]
- Dalet (ד): [d]
- He (ה): [h] na tsy tononina
- Vav (ו): [v] (na [w]) na tsy tononina
- Zayin (ז): [z]
- Het (ח): [ħ] na [χ] (eo anelanelan’ny h sy ny k)
- Tet (ט): [tʼ]
- Yod (י): [i] na tsy tononina
- Kaf (כ na ך): [k]
- Lamed (ל): [l]
- Mem (מ na ם): [m]
- Nun (נ na ן): [n]
- Samekh (ס): [s]
- Ayin (ע): [ʕ]
- Pe (פ na ף): [p]
- Tsade (צ na ץ): [ts] na [sˤ].
- Kof (ק): [q] na [kʼ] (tononina any am-poto-dela)
- Resh (ר): [r]
- Shin (ש): [ʃ]
- Tav (ת): [t] na [θ]
Fiovan' ny fanononana noho ny fisian' ny dagesh
[hanova | hanova ny fango]Misy litera miova fanonona rehefa asiana ny famantarana atao hoe dagesh izay miendrika teboka atao ao anatin' ny litera. Miisa enina ireo litera ireo: ב bet, ג gimel, ד dalet, כ kaf, פ pe ary ת tav.
- Bet: בּ [b] na ב [β] (soratana indraindray amin' ny litera latina roa hoe: bh sady mitovitovy fanonona amin' ny v).
- Gimel: גּ [g] na ג [ɣ] (soratana indraindray amin' ny litera latina hoe: gh sady mitovitovy fanonona amin' ny r frantsay.
- Dalet: דּ [d] na ד [ð] (soratana indraindray amin' ny litera latina hoe: dh sady mitovitovy fanonona amin' ny th ao amin' ny teny anglisy hoe that.
- Kaf: כּ na ךּ [k] na כ na ך [x]~[χ] (soratana indraindray amin' ny litera latina roa mifanarakaraka hoe kh sady mitovitovy fanonona amin' ny j espaniola na ny ch alemàna.
- Pe: פּ [p] na פ na ף [f] (soratana indraindray amin' ny litera latina roa mifanarakaraka hoe: ph)
- Tav: תּ [t] na ת [θ] (soratana indraindray amin' ny litera latina roa mifanarakaraka hoe: th sady mitovitovy amin' ny th ao amin' ny teny anglisy hoe think.
Fampiasana ny dagesh amin' ny litera hafa
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina ihany koa ny dagesh amin' ny litera izay tsy maintsy tononina. Ny He dia soratana hoe ה ([h]) sady mety tsy ho tononina, fa soratana hoe הּ (misy dagesh anatiny) kosa raha tsy maintsy tononina. Ny Shin dia soratana שׁ (misy dagesh ambony ankavanana) raha vakina hoe [ʃ], fa soratana שׂ (misy dagesh ambony ankavia) kosa raha vakina hoe [s]. Ny feo [ʃ] dia soratana amin' ny litera latina mifanarakaraka hoe sh ary ny feo [s] amin' ny litera s (ny frantsay dia mety hanoratra azy hoe ss).
Ny zanapeo
[hanova | hanova ny fango]Tsy manana litera hanoratana zanapeo ny abidy hebreo fa marika famantarana atao hoe nikoda (nikkud) no ampiasainy.
Zanapeo fototra ao amin' ny fiteny hebreo
[hanova | hanova ny fango]Dimy ny zanapeo fototra ao amin' ny fiteny hebreo ka ny tsirairay amin' ireo dia mety ho heno amin' ny endrika lava (maharitra) na fohy (tsy maharitra). Tsy midika fisiana zanatsoratra mifandraika aminy anefa izany. Ireto avy izy ireo:
- Zanapeo fohy: [a], [ɛ], [i], [ɔ] ary [u]
- Zanapeo lava: [aː,] [ɛː], [iː], [ɔː] ary [uː]
Ny amin' ny nikkud
[hanova | hanova ny fango]Tsy manana zana-tsoratra ny abidy hebreo. Taty aoriana, mba hahamora ny famakian-teny dia namorona ny atao hoe nikkud ny manampahaizana jiosy. Teboka tokana na roa na telo miampy na tsia tsipika kely mandry no ampiasaina ka mety hapetraka eo ambany na eo ambon' ny renisoratra tiana hasiana zanapeo. Natao hanehoana ireo zanapeo folo (dimy fohy sy dimy lava) izy ireo, araka izao (ny renisoratra lamed (ל) no ohatra hasiana zanapeo eto):
| Fanoratana | Famakiana | Fanoratana | Famakiana |
| לָ | [laː] | לַ | [la] |
| לֵ | [lɛː] | לֶ | [lɛ] |
| לִי | [liː] | לִ | [li] |
| לוֹ sy לֹ | [lɔː] | לָ | [lɔ] |
| לוּ | [luː] | לֻ | [lu] |
Renisoratra mety hanoratana zanapeo
[hanova | hanova ny fango]Ny alef (א) sy ny he (ה) sy ny vav (ו) ary ny yod (י) dia ampiasaina indraindray hanehoana ny zanapeo sasany. Izany no atao amin' ny teny latina hoe matres lectionis (ara-bakiteny: "reni-vakiteny").
- Alef (א): [a]
- He (ה): [e]
- Vav (ו): [u]
- Yod (י): [i]
Famadihana ny renisoratra hebreo amin' ny litera latina
[hanova | hanova ny fango]Fampifanandrifiana ny litera hebreo amin' ny litera latina
[hanova | hanova ny fango]- Alef (א): tsy misy litera mifanandrify aminy nefa soratana hoe « ’ » indraindray raha eny ampovoan' ny teny soratana.
- Bet (ב): soratana hoe b na v (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
- Gimel (ג): soratana hoe g na gh (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
- Dalet (ד): soratana hoe d na dh (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
- He (ה): soratana hoe h;
- Vav (ו): [v] na [w] soratana hoe v na w;
- Zayin (ז): [z] soratana hoe z;
- Het (ח): soratana hoe kh;
- Tet (ט): soratana hoe t;
- Yod (י): soratana hoe i (raha zanapeo) na y (raha renifeo);
- Kaf (כ na ך): soratana hoe k na kh (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
- Lamed (ל): soratana hoe l;
- Mem (מ na ם): soratana hoe m;
- Nun (נ na ן): soratana hoe n;
- Samekh (ס): soratana hoe s;
- Ayin (ע): [ʕ] tsy misy renisoratra mifanandrify aminy na soratana hoe «ʿ » na « ‘ » (hoatry ny faingo mihantona mivadika na faingo mihantona);
- Pe (פ na ף): soratana hoe p na ph na f (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
- Tsade (צ na ץ): soratana hoe ts;
- Kof (ק): soratana hoe k na q;
- Resh (ר): soratana hoe r ;
- Shin (ש): soratana hoe s na sh (arakaraka ny toeran' ny dagesh);
- Tav (ת): soratana hoe t na th (arakaraka ny fisian' ny dagesh);
Ny ankamaroan' ny Baiboly dia tsy manavaka ny fanononana roa izay marihin' ny fampisana dagesh. Izany no anoratana sy amakiana hoe Abrahama fa tsy Avrahama, ohatra.
Fanagasiana
[hanova | hanova ny fango]Fanoratana ny zanapeo hebreo amin' ny abidy malagasy
[hanova | hanova ny fango]Misy fomba roa azo anoratana ny zanapeo hebreo amin' ny litera latina ka ny voalohany manaja ny fomba fanoratra ny teny malagasy ary ny faharoa mameno ny banga amin' izany ka manampy ny litera u (jereo: Abidy malagasy).
Manaja ny fomba fanoratana ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny fomba manaja ny fanoratana malagasy dia tsy ahitana ny litera u, tsy miavaka ny zanapeo lava sy ny zanapeo fohy satria ny tendro satroka (^) dia manova loko ny feo fa tsy manalava azy, izany hoe manalehibe ny fisokatry ny vava manonona. Misy olana ny fampiasana ny litera o irery hanoratana ny [ɔ], ny [ɔ:], ny [u] ary ny [uː].
Zanapeo fohy:
- [a] : « a »
- [ɛ] : « e »
- [i] : « i »
Zanapeo lava:
- [aː] : « â »
- [ɛː] : « ê »
- [iː] : « î »
Hatramin' izay ny ô dia ampiasain' izay manoratra amin' ny teny malagasy ho an' ny fanononana [o] izay manakaiky ny [ɔ] fa tsy natao hanalavana ny feo.
Fanoratana mampiasa abidy malagasy naitatra
[hanova | hanova ny fango]Mameno ny tsy ampy amin' ny fanoratana malagasy ny fampiasana ny u:
Zanapeo fohy:
- [a] : « a »
- [ɛ] : « e »
- [i] : « i »
- [ɔ] : « o »
- [u] : « u »
- Zanapeo lava:
- [aː] : « â »
- [ɛː] : « ê »
- [iː] : « î »
- [ɔː] : « ô »
- [uː] : « û »
Ny tendro satroka (^) dia manamarika ny halavan' ilay zanapeo. Nefa mety tsy ho izany ny fandraisan' ny mpamaky ny ô izay mety ho vakiny hoe [ɔ] na [ɔː].
Fanagasiana ny anaran' ny litera ao amin' ny Baiboly malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny Baiboly tsy amin' ny teny hebreo dia ahitana ny anaran' ny litera ao amin' ny abidy hebreo, ohatra ny ao amin' ny Salamo faha-119. Ny mpandika tenin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy dia nanagasy ireo litera ireo nefa samy nanana ny safidiny araka ny fiangonana na ny vondrom-piangonana misy azy avy.
Ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy
[hanova | hanova ny fango]Toy izao ny anaran' ny literan' ny abidy hebreo ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy (Ny Baiboly):
Alefa (א), beta (ב), gimela (ג), daleta (ד), he (ה), vao (ו), zaina (ז), heta (ח), teta (ט), joda (י), kafa (כ na ך), lameda (ל), mema (מ na ם), nona (נ na ן), sameka (ס), aina (ע), pe (פ na ף), tsade (צ na ץ), kofa (ק), resy (ר), sina (ש) ary tao (ת).
Marihina ny anaran' ny Yod (י) izay soratana sy tononina hoe joda. Tsy misy koa ny fanavahana ny o ([u]) sy ny ô ([ɔ]).
Ao amin' ny Baiboly iombonana
[hanova | hanova ny fango]Mitovitovy amin' ny an' ny Prôtestanta ny ao amin' ny Baiboly dikan-teny iombonana (Baiboly DIEM) afa-tsy ny ayin (ע) izay soratana hoe haina sy ny kof (ק) izay soratana hoe kôfa ary ny resh (ר) izay soratana hoe resa.
Ao amin' ny Baiboly katôlika malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy (Ny Baiboly Masina) dia nanoratra azy ireo amin' ny fomba hanononana azy manakaiky ny fanononana hebreo ka tsy nanampy -a hamaranana azy sady nampiasana ny tendro satroka (^) hanavahana ny o [u] sy ny ô [ɔ].
Alef (א), bet (ב), gimel (ג), dalet (ד), he (ה), vao (ו), zain (ז), het (ח), tet (ט), iôd (י), kaf (כ na ך), lamed (ל), mem (מ na ם), non (נ na ן), samek (ס), haîna (ע), pe (פ na ף), tsade (צ na ץ), kôf (ק), resh (ר), shin (ש) ary tao (ת).
Ao amin' ny Baibolin' ny Vavolombelon' i Jehovah
[hanova | hanova ny fango]Mitovy amin' ny anaranan' ny litera hebreo ao amin' ny Baiboly prôtestanta ny an' ny Vavolombelon' i Jehovah (Ny Soratra Masina - Fandikan-tenin' ny Tontolo Vaovao) afa-tsy ny yod (י) izay soratana hoe yôda sy ny resh (ר) izay soratana hoe resa ary ny shin (ש) izay soratana hoe shina.
Tabilaom-pamintinana
| Ny Baiboly | Ny Baiboly Masina | Ny Baiboly DIEM | Ny Soratra Masina | |
| Alef (א) | Alefa | Alef | Alefa | Alefa |
| Bet (ב) | Beta | Bet | Beta | Beta |
| Gimel (ג) | Gimela | Gimel | Gimela | Gimela |
| Dalet (ד) | Daleta | Dalet | Daleta | Daleta |
| He (ה) | He | He | He | He |
| Vav (ו) | Vao | Vao | Vao | Vao |
| Zayin (ז) | Zaina | Zain | Zaina | Zaina |
| Het (ח) | Heta | Het | Heta | Heta |
| Tet (ט) | Teta | Tet | Teta | Teta |
| Yod (י) | Joda | Iôd | Ioda | Yôda |
| Kaf (כ na ך) | Kafa | Kaf | Kafa | Kafa |
| Lamed (ל) | Lameda | Lamed | Lameda | Lameda |
| Mem (מ na ם) | Mema | Mem | Mema | Mema |
| Nun (נ na ן) | Nona | Non | Nona | Nona |
| Samekh (ס) | Sameka | Samek | Sameka | Sameka |
| Ayin (ע) | Aina | Haîna | Haina | Aina |
| Pe (פ na ף) | Pe | Pe | Pe | Pe |
| Tsade (צ na ץ) | Tsade | Tsade | Tsade | Tsade |
| Kof (ק) | Kofa | Kôf | Kôfa | Kofa |
| Resh (ר) | Resy | Resh | Resa | Resa |
| Shin (ש) | Sina | Shin | Sina | Shina |
| Tav (ת) | Tao | Tao | Tao | Tao |