Hankany amin'ny vontoatiny

Fanjarian-tsakafo

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy mivarotra vokatra eny amin' ny tsena iray ao Lilongwe, Malaoy.

Ny fanjarian-tsakafo dia toe-javatra ahafahan' ny olon-drehetra, amin' ny fotoana rehetra, mahazo sakafo ampy tsara sy azo antoka ary mahavelona mifanaraka amin' ny filany, ka ahafahan' izy ireo manana fiainana salama ho enti-miasa.

Amin' ny ankapobeny dia miorina amin' ny lafiny lehibe efatra izany:

  • tsy maintsy misy sakafo ampy vokarina na azo alaina;
  • tsy maintsy afaka mahazo izany sakafo izany ny olona, ​​indrindra fa eo amin' ny lafiny ara-bola sy ny fahafahana mahazo azy azo tsapain-tanana;
  • tsy maintsy azo antoka fa tsy mampidi-doza ny sakafo, mahavelona, ​​ary voaomana tsara, sady tsy maintsy misy rano fisotro madio sy fepetra ara-pahasalamana sahaza;
  • ary tsy maintsy azo antoka fa ho afaka hahazo izany sakafo izany hatrany ny olona na dia ao anatin' ny krizy, ny hain-tany, ny fifandonana, na ny fiakaran' ny vidin-javatra aza.

Araka izany, ny fanjarian-tsakafo dia mahakasika ny lafiny teknika ka miavaka amin' ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny fiandrianana ara-tsakafo ary ny zo hahazo sakafo, izay ahitana lafiny ara-pôlitika na ara-dalàna bebe kokoa.