Aller au contenu

Fanjakana tan-dalàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanjakana tan-dalàna dia foto-kevitra momba ny lalàna sy ny filôzôfia ary ny pôlitika izay mametraka ny lalàna ho ambony noho ny fahefana ara-pôlitika ao amin' ny fanjakana iray, sady mametraka ny tokony hanajan' ny olona tsirairay ny lalàna, na mpitondra izany na na entina. Izany dia fomba iray izay ampiharana lalàna mitovy amin' ny tsirairay, na ny isam-batan' olona na ny fahefam-panjakana, izay mifototra amin' ny fitsipiky ny fanajana ny fenitra ao aminy. Ankehitriny ny hoe fanjakana tan-dalàna dia hamafisina any amin' ny firenena maro. Tsy afa-misaraka amin' ny demôkrasia ny fanjakana tan-dalàna.