Fanjakana indô-grika

Ny Fanjakana Indô-Grika dia toe-draharaha ara-pôlitika be pitsiny sy mahakasika fanjakana maro teo amin' ny fitambaran' ny fizaràn-tany helenistika izay tsy mazava sady mifindrafindra ny sisintaniny, izay mifanitsy amin' ny ampahany amin' i Afganistana sy ny ilany avaratr' i Pakistana ary ny ilany avaratra-andrefan' i India amin' izao fotoana izao. Ireo fanjakana ireo dia niankina amin' ny Fanjakana Grika-Baktriana izay niitatra hatrany avaratr' i Afganistana sy atsimon' i Ozbekistana sy Tajikistana ankehitriny. Ireo no fizaràn-tany indiana azon' i Aleksandra Lehibe tamin' ny fanafihana, saika very tanteraka tamin' ny fanapahan' i Seleokôsy I izay lasan' ny Empira Maorià vaovaon' i Chandragupta Maurya tamin' ny taona 303 tal JK ary azon' ny Grekô-Baktriana indray teo anelanelan' ny fiafaran' ny fahirano an' i Baktresy nataon' i Antiôkôsy III tamin' ny taona 206 sy ny fahafatesan' i Eotidemôsy tamin' ny taona 200 tany ho any, noho ny faharavan' ny Empira Maorià sy ny fiverenan' ny mpanjaka seleokida nankany andrefana.
Nandritra ny taonjato roa teo ho eo dia teo amin' ny telopolo eo ho eo ny andriamanjaka indô-grika fantatra, ny ankamaroany dia fantatra amin' ny alalan' ny vola nampanamboariny ihany. Taorian' ny famoizana an' i Baktriana tamin' ny fanafihan' ny vahoaka ioezy (Yuezhi) mpifindrafindra monina, dia nohamorain' ny ady an-trano teo amin' ny samy Grika, dia nizarazara ho fanjakana mpifanandrina ny fizaràn-tany indô-grika, izay matetika tsy fantatra ny sisin-taniny sy ny zotram-potoany. Ny fizaràn-tany nofehezin' ny Grika dia nihena sy nizarazara tamin' ny Sakà mpananibohitra talohan' ny nanjavona tanteraka tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana misy antsika, izay nofehezin' ny Fanjakana Indô-Partiana avy eo tamin' ny Empiran' i Kosàna.