Mikrôskôpy
Fiseho
(tonga teto avy amin'ny Fanitajery)
Ny mikrôskôpy na fanitajery dia fitaovana ao amin' ny laboratoara ampiasaina handinihana ireo zavatra kely loatra ka tsy hitan' ny maso mitanjaka. Avy amin' ny teny grika taloha: μικρός, mikrós, "kely" sy σκοπεῖν, skopeîn, "azo jerena" na "mahita") io teny hoe mikrôskôpy io. Ny mikrôskôpia dia ny siansa amin' ny famotopotorana zavatra kely sy rafitra mampiasa mikrôskôpy. Ny mikrôskôpika dia midika hoe tsy hitan' ny maso raha tsy ampiana mikrôskôpy.