Fanindravina
Ny fanindravina dia hazo mamony, ao amin' ny fianakaviana Celastraceae, teratany eto Madagasikara, izay maniry any amin' ny faritra mafana trôpikaly manana fizaran-taona maina. Elaeodendron humbertii no anarany ara-tsiansa[1]. Ity karazan-javamaniry ity dia nofariparitan' ilay bôtanista frantsay Henri Perrier de la Bâthie voalohany tamin' ny taona 1942 tao amin' ny lahatsoratra "Notulae Systematicae"[2]. Araka ny voalazan' ny Lisitra Menan' ny International Union for Conservation of Nature (IUCN), ny Elaeodendron humbertii dia sokajiana ho karazana atahorana ho lany tamingana[1].
Amin' ny teny malagasy dia tsinefo koa ny anarana iantsoana ity zavamaniry ity, nefa tsy tokony hafangaro amin' ilay zavamaniry tsinefo manana anarana ara-tsiansa hoe Ziziphus spina-christi.
Ny vondrona Elaeodendron dia ahitana karazana misa 39 eo ho eo miparitaka manerana ny faritra trôpikaly any Amerika, aty Afrika atsimon' i Sahara, any Azia, any Aostralia ary any Pasifika Atsimo[3]. Nisy tapian' ny Elaeodendron humbertii dia nangonina tamin' ny taona 1928 tany akaikin' i Toliara, teo amin' ny havoana vatosokay antsoina hoe Andatabo, amin' ny haavo eo anelanelan' ny 25 sy 200 m[4]. Ny fitsakoana ny ravin' ity zavamaniry ity dia lazaina fa miteraka hafaninana[5].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- iNaturalist, "Elaeodendron humbertii", www.inaturalist.org
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 Plants of the World Online, "Elaeodendron humbertii H.Perrier", powo.science.kew.org
- ↑ World Flora Online, "Elaeodendron humbertii H.Perrier", wfoplantlist.org
- ↑ Plants of the World Online, "Elaeodendron Jacq.", powo.science.kew.org
- ↑ Global Plants, "Type of Elaeodendron humbertii H.Perrier", plants.jstor.org
- ↑ Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy, "Fanindravina", tenymalagasy.org