Hankany amin'ny vontoatiny

Fandripahana ao Gaza

Avy amin'i Wikipedia
Fandevenana ny maty tamin' ny daroka baomba tany Gaza tamin' ny taona 2023.

Ny fandripahana ao Gaza dia famotehana mitohy[1] sy iniana ary tsy misy fepetra ataon' i Israely amin' ny vahoaka palestiniana ao amin' ny Lemak' i Gaza nandritra ny Ady ao Gaza. Anisan' izany ny famonoana faobe, ny fampahanoanana iniana atao, ny fampijaliana mafy ara-batana sy ny ara-tsaina, ary ny fisakanana ny fahaterahana. Anisan' ny hetsika hafa ny sakana ataon' i Israely mba tsy hidiran' ny fanampiana amin' ny fiahiana ny maha olona, ny fanimbana fotodrafitrasa sivily, ny famotehana ny tobim-pahasalamana, ny famonoana ny mpiasan' ny fahasalamana sy mpitady fanampiana, ny famindran-toerana faobe sy an-tery ny vahoaka, ny fanaovana herisetra ara-nofo, ary ny famotehana ny toeram-panabeazana sy toeram-pivavahana ary toerana manan-danja ara-kolontsaina[2]. Manaiky ny fisian' izany fandripahana izany ny Special Committee to Investigate Israeli Practices Affecting the Human Rights of the Palestinian People ("Kômity manokana manadihady ny fanao israeliana tsy manaja ny zon' olombelona amin' ny vahoaka palestiniana")[3] sy ny 2025 UNHRC Commission of Inquiry report on Gaza genocide ("Tatitry ny taona 2025 nataon' ny Vaomieran' ny Filankevitra momba ny Zon' Olombelona ao amin' ny Firenena Mikambana momba ny fandripahana ao Gaza")[4], ny International Association of Genocide Scholars ("Fikambanana iraisam-pirenen' ny manam-pahaizana momba ny fandripahana")[5], ny fikambanana marobe mpiaro ny zon' olombelona, ny fandalinana maro momba ny fandripahana sy ny manam-pahaizana momba ny lalàna iraisam-pirenena, ary ny manam-pahaizana manokana hafa.

Sisam-paharavan' i Beit Lahia, ao amin' ny Lemak' i Gaza, ravan' ny daroka baomba israeliana tamin' ny 23 Febroary 2025.

Tamin' ny Desambra 2025, farafahakeliny 70 117 no isan' ny maty tao Gaza[6]. Sivily ny ankamaroan' ny tra-pahavoazana[7], ary manodidina ny 50 % amin' izany dia zaza amam-behivavy[8]. Raha ampitahaina amin' ny ady iraisam-pirenena hafa nitranga vao haingana, dia anisan' ny ambony indrindra ny isan' ny mpanao gazety maty sy ny mpiasa ho an' ny fiahiana ny maha olona sy ho an' ny fahasalamana ary ny ankizy maty[9]. Faty an' arivony maro, izay tsy voaisa, no heverina fa voatsindrin' ny trano rava maro[10]. Nilaza ny fanadihadiana iray tao amin' ny gazetiboky ara-pitsaboana The Lancet fa notombanana ambany tamin' ny Jona 2024 ny fahafatesana vokatry ny ratra mahatsiravina, sady nanamarika izany fanadihadiana izany fa tokony ho be lavitra ny isan' ny maty raha isaina ny fahafatesana "tsy mivantana"[11]. Mihoatra ny 171 000 ny isan' ny maratra[12]. Ao Gaza no ahitana zaza tapaka rantsam-batana betsaka indrindra eto an-tany[13]; nahatonga ankizy 21 000 mahery ho kilemaina ny Ady ao Gaza[14].

Fandripahana tao amin' ny sekoly Al-Tabain

Nandray anjara betsaka tamin' ny fampahanoanana sy nanamafy ny mosary ny sakana ataon' ny Israely amin' ny fifamoivoizana. Tamin' ny volana Aogositra 2025 dia nampiseho ny vinavina fa olona 641 000 eo ho eo no misedra tsy fanjarian-tsakafo ary hitombo 1,14 tapitrisa ny isan' ny olona miatrika toe-javatra mitady vonjy maika dia maika[15]. Tany am-piandohan' ny fifandonana dia notapahin' i Israely ny angovo sy ny rano ao Gaza, talohan' ny hamerenany amin' ny ampahany ny rano[16]. Tamin' ny May 2024 dia ny 84 % amin' ny tobim-pahasalamana ao Gaza no rava na simba[17]. Noravan' i Israely ihany koa ny toerana maro mirakitra lova ara-kolontsaina, anisan' izany ny oniversite 12 ao Gaza sy ny 80 % amin' ny sekoly[18]. Palestiniana maherin' ny 1,9 tapitrisa, izany hoe 85 % amin' ny mponina ao Gaza, no nafindra toerana an-keriny[19]. Niteraka fahapotehana mahatsiravin' ny tontolo iainana manerana an' ilay faritra ihany koa ny daroka baomba ataon' i Israely.

Tamin' ny Desambra 2023 dia nanao fitoriana an' i Israely tao amin' ny Fitsarana Iraisam-Pirenena (International Court of Justice na ICJ) ny governemantan' i Afrika Atsimo (raharaha "South Africa v. Israel"), noho ny tsy fanajan' i Israely ny Convention on the Prevention and Punishment of the Crime of Genocide ("Fifanarahana momba ny fisorohana sy fanasaziana ny heloka bevava amin' ny fandripahana")[20]. Tamin' ny Janoary 2024 dia nanome baiko an' i Israely ilay fitsarana mba handray ny fepetra rehetra azony atao mba hisorohana ny hetsika famonoana olona, ​​mba hisorohana sy hanasaziana ny fandrisihana amin' ny fandripahana, ary mba hamelàna ny fampidirana fanampiana fototra ho an' ny fiahiana ny maha olona sy ny famatsiana ho an' ny vahoaka ao Gaza[21]. Nandidy an' i Israely hampitombo ny fanampiana fiahiana ny maha olona ao Gaza sy hampiato ny fanafihana an' i Rafah koa ilay fitsarana[22]. Tsy nanaraka tanteraka ny baikon' ny Fitsarana Iraisam-Pirenena anefa i Israely[23].

Nanamafy i Israely sy ny mpomba azy fa tsy fandripahana ny hetsika ataon' izy ireo[24], fa setrin' ny fanafihana tamin' ny 7 Oktobra 2023, ary ny handrava ny Hamas sy hanafaka takalon' aina israeliana no tanjon' i Israely[25]. Mitombo anefa ny fitovian-kevitra eo amin' ny manam-pahaizana momba ny fandripahana sy ny manam-pahaizana momba ny lalàna iraisam-pirenena amin' ny filazana fa fandripahana ny zava-misy ao Gaza, na dia misy aza manam-pahaizana manohitra izany[26].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Segal, Raz (28 November 2025). "The genocide in Gaza is far from over". The Guardian. Arsiva.
  2. "Israel has committed genocide in the Gaza Strip, UN Commission finds". Office of the United Nations High Commissioner for Human Rights. 16 September 2025. Arsiva.
  3. Pieris, Mohan (19 November 2024). "A genocide is unfolding before our eyes: History will not forgive our inaction, UN Special Committee warns General Assembly 4th Committee report" (Speech). Office of the United Nations High Commissioner for Human Rights. Arsiva. "Our findings conclude that Israel's methods of war align with the characteristics of genocide ... Our report leaves no room for ambiguity. A genocide is unfolding before our eyes. Failing to act now—failing to put an end to this atrocity crime—will tear apart the very foundation of the international rule of law we have collectively built to protect peace, security, and the well-being of all. Our inaction today is setting a perilous precedent for tomorrow. Think about it."
  4. "Israel has committed genocide in the Gaza Strip, UN Commission finds". Office of the United Nations High Commissioner for Human Rights. 16 September 2025. Arsiva.
  5. Van den Berg, Stephanie (1 September 2025). "Israel is committing genocide in Gaza, scholars' association says". Reuters. Arsiva.
  6. Graham-Harrison, Emma (30 January 2026). "Israel accepts health authorities' Gaza death toll is broadly accurate, saying 70,000 have died". The Guardian. ISSN 0261-3077.
  7. Schwarz, Franziska (16 August 2024). ""Düsterer Meilenstein": UN benennt Zahl der täglichen Toten im Gazastreifen". Frankfurter Rundscha. Arsiva.
  8. Spagat, Mike (28 May 2024). "Gaza Ministry of Health releases detailed new casualty data amidst confusion of UN's death numbers in Gaza". Action On Armed Violence. Arsiva.
  9. "Gaza: At Least 3,100 Children Aged Under Five Killed With Others at Risk as Famine Looms". Save the Children. 10 October 2024. Arsiva.
  10. Massoud, Bassam; Fick, Maggie (23 December 2023). "Gaza death toll: why counting the dead has become a daily struggle". Reuters. Arsiva.
  11. Jamaluddine, Zeina; Abukmail, Hanan; Aly, Sarah; Campbell, Oona M. R.; Checchi, Francesco (9 January 2025). "Traumatic injury mortality in the Gaza Strip from Oct 7, 2023, to June 30, 2024: a capture–recapture analysis". The Lancet. 405 (10477). Elsevier: 469–477. doi:10.1016/S0140-6736(24)02678-3. PMID 39799952. "We estimated 64,260 deaths (95% CI 55 298–78 525) due to traumatic injury during the study period, suggesting the Palestinian MoH under-reported mortality by 41%. ... Our findings underestimate the full impact of the military operation in Gaza, as they do not account for non-trauma-related deaths resulting from health service disruption, food insecurity, and inadequate water and sanitation."
  12. Burke, Jason (27 August 2025). "A third of outpatients treated for wounds at MSF's Gaza hospitals in 2024 were children, figures show". The Guardian. Arsiva.
  13. "Percentage of Persons with Disabilities in Gaza Has Increased because of Excessive Use of Force by Israel, State of Palestine Tells Committee on Rights of Persons with Disabilities". United Nations. 15 August 2025. Arsiva.
  14. "Middle East crisis: at least 21,000 children disabled in Gaza during war, says UN committee – as it happened". The Guardian. 3 September 2025. Arsiva.
  15. Kekatos, Mary (23 August 2025). "Famine determined in parts of Gaza, 500,000 experiencing 'catastrophic' hunger: Report". ABC News. Arsiva.
  16. Ravid, Barak (15 October 2023). "Israel resumes water supply to southern Gaza after U.S. pressure". Axios. Arsiva.
  17. Neuman, Scott; Baba, Anas; Wood, Daniel (1 June 2024). "In Gaza, months of war have left Palestinians with barely the necessities to survive". NPR. Arsiva.
  18. "UN experts deeply concerned over 'scholasticide' in Gaza". Office of the United Nations High Commissioner for Human Rights. United Nations. 18 April 2024. Arsiva.
  19. "UN: Gaza 'catastrophe' threatens to raise record global displacement". Al Jazeera. 13 December 2023. Arsiva.
  20. "Application Instituting Proceedings, Application of Convention on Prevention and Punishment of Crime of Genocide (S. Afr. v. Isr.), No. 192". ICJ. 29 December 2023. Arsiva.
  21. Simon, Scott; Peralta, Eyder (27 January 2024). "ICJ finds genocide case against Israel 'plausible', orders it to stop violations". NPR. Arsiva.
  22. Marsi, Federica; Siddiqui, Usaid; Motamedi, Maziar (28 March 2024). "ICJ orders Israel to stop preventing 'delivery of urgently needed' aid". Al Jazeera. Arsiva.
  23. Kuttab, Jonathan (20 March 2024). "Israeli Non-Compliance with ICJ Provisional Orders". Arab Center Washington DC. Arsiva.
  24. Deutsch, Anthony; Sterling, Toby; Berg, Stephanie van den (12 January 2024). "Israel rejects genocide charges, tells World Court it must defend itself". Reuters. Arsiva.
  25. Fabian, Emanuel; Bachner, Michael (3 November 2023). "IDF soldiers fend off nighttime Hamas ambush, as battalion commander killed in Gaza". The Times of Israel. Arsiva.
  26. Ayad, Christophe (27 July 2025). "Is there a genocide in Gaza? Why legal experts are split". Le Monde. Arsiva.