Aller au contenu

Fandotoana

Avy amin'i Wikipedia
Ny fandotoana lehibe voalohany dia toa vokatry ny revôlisiona indostrialy tamin' ny alalan' ny milina andeha eton-drano sy arina.

Ny fandotoana dia ny fanimbana na fahasimban' ny tontolo iainana na ny biôsfera amin' ny alalan' ny fampidiran' ny olombelona, amin' ny ankapobeny, ​​ny singa (fizika, simika na biôlôjika) na taratra manova ny fiasan' ny tontolo iainana. Ny fandotoana dia misy fiantraikany lehibe amin' ny fahasalamana sy ny biôsfera, araka ny asehon' ny fihanaky ny fandoto sy ny fiakaran' ny maripanan' ny tany, izay manova ny toetany sy ny tontolo iainana, izay mitarika ho amin' ny firongatry ny aretina tsy fantatra teo aloha any amin' ny faritra ara-jeôgrafia sasany, ny fifindra-monin' ny karazam-biby sasany, eny fa hatramin' ny faharinganan' izy ireo aza raha tsy afaka mampifanaraka ny fomba fiainany amin' ny tontolo vaovao misy azy izy.