Aller au contenu

Fandevenana

Avy amin'i Wikipedia


Ny fandevenana dia andiana hetsika sy fombafomba ary lahateny ary, any amin' ny firenena sasany, dihy izay manaraka ny fialana aina sy ny fahafatesan' ny olona iray, mba hanomezam-boninahitra azy ary hanotronana azy amin' ny alalan' ny fanaovana lanonana. Ny antrôpôlôga amin' ny ankapobeny dia mihevitra fa ny fandevenana dia iray amin' ny fototry ny fifindran' ny olombelona mankany amin' ny sivilizasiôna. Toa miankina amin' ny fivavahana foana ireo fombafomba ireo, saingy ny faneken' ny filôzôfia agnôstika izany eo amin' ny tontolo ankehitriny dia manova ny fiheverana ny fotoana farany amin' ny fiainana na mamela ny fioiran' ny karazana fombafomba sy lanonana vaovao.

Ny toetry ny fombafombam-pandevenana dia miovaova arakaraka ny fotoana, ny sata ara-piarahamonin' ny maty, ny finoan' ny fiarahamonina, ny anton' ny fahafatesana ary indraindray araka ny fanirian' ny maty. Ny fandalinana taty aoriana momba ny fombafomba fandevenana amin' ny alalan' ny soritra tavela ao amin' ny fasana, ampifandraisina amin' ny singa arkeôlôjika hafa, dia ahafahana mametra ny faritra ara-jeôgrafia ary indraindray ny tantaran' ny fiarahamonina nanjavona. Toy izany koa, ny etnôlôjia dia manome lanja lehibe ny fandalinana ny fombafomba fandevenana, izay manazava ny fahatakarana ny fifandraisana eo amin' ny olona tsirairay sy izao tontolo izao araka ny fiheverany azy.

Ny fandevenana sy ny fisaonana iombonana koa dia fotoana manokana amin' ny fahafaha-mira-mientana izay manamarika ny tantaran' ny vondrona iray. Fotoana manan-danja ho an' ny olon-tsotra ny fanosotra zava-manitra, ny fandoroana faty na fandatsahana an-tany ary, tsy dia fahita firy, ny fandentehana an-dranomasina, ny fandevenana an-dranbomandry, ny fihinanana ny faty (tena izy na am-panoharana, ohatra ny fihinanana ny lavenon' ny faty nodorana) na ny fanaovana fanatitra ny faty (matetika tetitetehina, ao amin' ny vahoakan' i Himalaya) ho hanin' ny voromahery voltora. Ny olo-malaza dia indraindray manan-jo hanaovana fandevenana "miavaka". Miovaova arakaraka ny vanim-potoana ny toetoetry ny fanomezam-boninahitra faratampony sy iaraha-manao ary koa ny fizotry ny lanonana, ary ny fananganana tsangambato ho an' ny taranaka. Indraindray koa dia natao sorona ny havana sy ny namana akaiky ny maty.

Ny fihetsika mampiseho fombafomba fandevenana dia hita amin' ny biby toy ny elefanta, ny rajako ary ny lalomena.

Manerana an' izao tontolo izao, ny fombafomba fandevenana dia miovaova, saingy mifanaraka avokoa, araka ny filazan' ny etnôlôga Arnold van Gennep, amin' ny fombam-piampitana misy dingana telo (ny sasany nohalefahina arakaraka ny vanim-potoana sy ny sivilizasiôna): dingana fisarahana vokatry ny fahafatesana, sy ny fombafomba fanamarinana ny fahafatesana ary ny fanambaràna ny fahafatesana; fetra amin' ny fampirantiana ny maty, ny fiaretan-tory, ny fitanjozorana handevina, ny fivavahana atao ho an' ny maty, ny fandevenana an-tany na ny fandoroana; dingana fanangonana (sakafo am-pandevenana, fahatsiarovana) izay atao aorian' ny fisaonana lava na fohy arakaraka ny vanim-potoana sy ny fivavahana arahina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]