Fandaharan' Asan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Fampandrosoana

Ny Fandaharan' Asan' ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana dia masoivohon' ny Firenena Mikambana misahana ny fanampiana ny firenena hanafoana ny fahantrana sy hahatratra ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ny fampandrosoana ny olombelona. Atao hoe United Nations Development Programme (UNDP) izy io amin' ny teny anglisy fa Programme des Nations unies pour le développement (PNUD) kosa amin' ny teny frantsay. Ny PNUD dia manantitrantitra ny fampivelarana ny fahaiza-manao eny ifotony mankany amin' ny fahampian' ny tenany sy ny firoboroboana maharitra.
Miorina ao amin' ny foiben-toeran' ny Firenena Mikambana ao New York City, ny PNUD no masoivoho lehibe indrindra amin' ny fanampiana ho an' ny fampandrosoana ny Firenena Mikambana, manana birao any amin' ny firenena 177. Ny PNUD dia vamatsian' ny fandraisana anjara an-tsitrapo avy amin' ny firenena ao amin' ny Firenena Mikambana.