Fanatanjahatena
Fiseho
Fanatanjahatena
[hanova | hanova ny fango]Ny fanatanjahatena dia hetsika ara-batana na ara-tsaina[1] izay atao ho fanatanjahatena, fialam-boly, na fifaninanana. Ny fanatanjahatena dia manampy amin'ny fahatanjahana sy fahasalamana, miaraka amin'ny fanentanana ny olona hanatsara ny toe-batany, ny tanjaka, ny hery ara-tsaina, ary ny fahaiza-manao amin'ny sehatra samihafa.
Karazana Fanatanjahantena
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany maro ny fanatanjahatena, samy hafa amin'ny tanjona sy ny fomba fanaovana azy. Ireto misy sasany amin'ireo karazany lehibe:
- Baskety: Lalao fanipazana baolina, miasa mafy ny tanana sy ny fahaizana manipy sy mitaty baolina mba tsy ho resy. Karazana fanatanjahatena izay ahitana ekipa roa mifaninana amin'ny fanafihana sy fiarovana amin'ny fanipazana baolina ao anatin'ny harato.
- Baolina kitra: Lalao baolina amin'ny kianja malalaka ahitana ekipa 2, mpilalao 11 ary mpiandry tsatokazo. Ny tanjona dia ny hampiditra ny baolina boribory ao anatin' ny tsatokazo any amin'ny sahan'ny ekipa mpifanandrina aminy, tsy mampiasa tanana.
- Rugby: Ity fanatanjahantena ity dia mitaky hery sy fahaiza-manao ara-batana, ka ny ekipa iray dia mikatsaka ny handresy amin'ny alalan'ny fametrahana ny baolina ao amin'ny faritra fanovàna.Baolina lavalava ihany koa no tena hamantarana azy.
- Tenisy: Ity fanatanjahatena ity dia lalaovina amin'ny baolina sy raquette, izay miezaka mandefa ny baolina ao anatin'ny kianja ny mpifaninana ary mikendry ny tsy hamotsotra ny baolina kely boribory fa mikapoka izany hatrany amin'ny raquette mba tsy hilatsaka amin'ny tany.
- Lomano: Ity fanatanjahatena ity dia lalaovina ao anaty rano, amin'ny alalan'ny fifaninanana sy ny fahaiza-manao amin'ny fanatanjahan-tena amin'ny rano. Miasa mafy ny tanana sy ny tongotra mandritra ny lomano ary indrindra ny fahaizana miaina amin'ny orona mba tsy ho sempotry ny rano.
- Karate: Fanatanjahatena ara-batana mitaky fahaizana miady toy ny totohondry, daka sy ny teknika samihafa.
- Judo: Ity fanatanjahantena ity dia mitaky teknika manokana amin'ny fanalana sy fampiharana ady amin'ny alalan'ny fiheverana ara-tsaina sy vatana, ary ny tanjona dia ny hahatonga ny mpifanandrina tsy afaka manohy ny ady, na tsy afaka mihetsika noho ny fanerena azy.
- Totohondry: Fanatanjahatena atao amin'ny tanana mivokona manao totohondry, ary mitifitra totohondry any amin'ny mpifanandrina.
- Hazakazaka: Fanatanjahatena mifaninana amin'ny hazakazaka ka izay tonga voalohany indrindra no mpandresy
- Rallye:Fifaninana mitondra fiara, izay mila mandeha mafy mba ho tonga amin'ny laharana voalohany, ka izay tonga voalohany no mibata ny fandresena
Voka-tsoa:
[hanova | hanova ny fango]Marobe ny vokatsoa entin'ny fanatanjahatena, ka ireto avy izany:
Fahasalamana
Tanjaka sy hery
Fidiram-bola raha miditra amin'ny sehatra matihanina
Fitetezam-paritra
Toe-tsaina matanjaka
Fahavitrihana
Fanenaham-batana[2]
Fikoloana bika