Fanasokajiana klasika
Ny fanasokajiana klasika na fanasokajiana lineana, ao amin' ny siansan' ny zavaboary, dia lamina izay anasokajiana ny zavamananaina araka ny fitoviana hita maso indrindra. Ity fanasoajiana ity dia novolavolaina tamin' ny fampidirana ny rafi-damin-kevitra natolotr' i Linné nanomboka tamin' ny taona 1735. Nahazo anarana latinina vaovao ny karazan-javamananaina, anarana izay ahitana teny roa (lamin-kevitra binômialy), ary nalamina araka ambaratonga ho "vondron-karazana", "fianakaviana", "filaharana", "kilasy", "fisampanana" (na "fizaràna", ao amin' ny mikôlôjia (fandalinana ny holatra), ary "fanjakana". Antsoina hoe "klasika" ity fanasokajiana ity, fa tsy mitovy amin' ny fanasokajiana filôjenetika izay natao tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1950 ary mifototra indrindra amin' ny kladistika sy nisolo ny fanasokajiana nentim-paharazana amin' ny ankamaroan' ny faribolana siantifika sy akademika.