Aller au contenu

Fanasokajiana ara-tsiansa ny zavamananaina

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny biôlôjia, ny fanasokajiana ara-tsiansa ny karazana, izay antsoina koa hoe fanasokajiana biôlôjika na taksônômia, fandalinana siantifika momba ny anarana sy ny famaritana ary ny fanasokajiana ny vondron-javamananaina mifototra amin' ny toetra iraisana. Ny zavamananaina dia mivondrona ho taksôna, ary ireo vondrona ireo dia omena laharana taksônômika; ny vondrona nomena laharana dia azo atambatra mba hamorona vondrona mitondra laharana ambony kokoa, ka mamorona ambaratonga taksônômika.

Ny laharana lehibe amin' ny fomba fiasa môderina dia ny sehatra, ny fanjakana, ny fisampanana (na fizaràna), ny kilasy, ny filaharana, ny fianakaviana, ny vondron-karazana ary ny karazana. Ilay bôtanista soedoà Carl von Linné no heverina ho mpanorina ny rafitra taksônômika ampiasaina amin' izao fotoana izao, satria namolavola rafitra misy laharana fantatra amin' ny anarana hoe taksônômia n' i Linné, izay novolavolainy mba hanasokajiana ny zavamananaina sy ny anarana binômialy amin' ny fanomezana anarana ny zavamananaina.

Rehefa nandrosoana ny teôria sy ny angona ary ny teknôlôjia famakafakana ny rafitra biôlôjika, ny rafitr' i Linné dia nivoatra ho rafitra fanasokajiana biôlôjika maôderina izay atao hanehoana ny fifandraisana manaraka ny evôlisiôna eo amin' ny zavamananaina, na velona na efa lany tamingana.