Fanasokajian' i Cronquist

Ny Fanasokajian' i Cronquist dia fanasokajiana taksônômikan' ny zavamaniry mamony (Angiosmermae). Noforonin' ilay bôtanista amerikana Arthur John Cronquist izy io tao amin' ny andian-dahatsoratra sy lahatsoratra maromaro, anisan' izany ny The Evolution and Classification of Flowering Plants (1968; edisiôna faharoa, 1988) ary ny An Integrated System of Classification of Flowering Plants (1981). Mitsinjara ny zavamaniry mamony ho kilasy roa lehibe ny Fanasokajian' i Cronquist, dia ny Magnoliopsida (roa ravin-tsimoka na dikôtiledôna) sy ny Liliopsida (tokan-dravin-tsimoka na mônôkôtiledôna). Ao anatin' ireo kilasy ireo dia atambatra ho zana-kilasy ny filaharana mifandray. Na dia nampiasaina be aza io fanasokajiana io tamin' ny endriny tany am-boalohany sy tamin' ny endriny nasiam-panamboarana, dia maro ny bôtanista ankehitriny no mampiasa ny fanasokajian' ny Angiosperm Phylogeny Group ho an' ny filaharana sy ny fianakavian-javamaniry mamony, izay novolavolaina voalohany tamin' ny taona 1998. Ny Fanasokajian' i Cronquist araka ny nampahafantarana azy ao amin' ny An Integrated System of Classification of Flowering Plants (1981) dia nahitana filaharana 64 sy fianakaviana 321 ao amin' ny kilasy Magnoliopsida, ary filaharana 19 sy fianakaviana 65 ao amin' ny kilasy Liliopsida.