Aller au contenu

Fanararaotam-pahefana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanararaotam-pahefana dia fandikan-dalàna ataon' ny olona na ny manampahefana na ny fitantanan-draharaha izay mampihatra fahefana amin' ny fomba tsy ara-dalàna, ho amin' ny tanjona hafa ankoatra izay nankinina taminy, mba hahazoany tombontsoa na hanisiany ratsy ny hafa, ka miteraka korontana sy loza eo amin' ny fiarahamonina sy eo amin' ny sehatra tokony hampiharana ny fahefana izany. Anisan' ny fanararaotam-pahefana ny fampiasana tafahoatra ny fahefana avy amin' ny sata ananana na ny fanararaotana ny toeran' ny olona iray ambany fahefan' ny tena mba hahazoana tombontsoa manokana. Ny fanararaotana zo koa dia endriky ny fanararaotam-pahefana.

Azo heverina ho herisetra manimba ny hafa ny fanararaotam-pahefana: herisetra eo amin' ny samy olona izany nefa matetika miafina tsy misy mpahalala firy ary mitranga any amin' ny toerana izay heverina fa tokony hisy fiarovana. Raha tsy mandray fepetra momba ny fanararaotam-pahefana manimba izay efa notaterina taminy amin' ny fomba ôfisialy ny manampahefana iray, dia fandavana hampihatra ny rariny sy fanitsakitsahana ny zo fototra no vokatr' izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]