Fanapahan-doha

Ny fanapahan-doha dia fanasarahana tanteraka ny loha amin' ny vatana. Mahafaty ho an' ny olombelona sy ny biby rehetra misy hazondamosina ny fandratrana toy izany satria manaisotra amin' ny atidoha ny ra misy ôksizenina noho ny fahatapahan' ny lalandra lehibe ao amin' ny tenda, ary ny taova hafa rehetra dia lasa tsy afaka manao ny asany mandeha hoazy izay ilaina amin' ny fuasan' ny vatana.
Mety hitranga tsy nahy na an-tsitrapo ny fanapahan-doha, amin' ny fomba famonoana tsy ara-dalàna na amin' ny fanamelohana ho faty. Amin' ity tranga farany ity dia matetika no atao amin' ny fampiasana antsy, sabatra, famaky, na amin' ny fitaovana mekanika toy ny giôtiny izany. Ny fanapahan-doha tsy nahy dia mety ho vokatry ny fipoahana, ny lozam-pifamoivoizana, ny lozan' orinasa, ny famonoana tsy araka ny tokony ho izy tamin' ny alalan' ny fanantonana na fandratrana mahery vaika hafa.
Mamela ny fanamelohana ho faty amin' ny fanapahan-doha ny lalànam-pirenen' i Arabia Saodita sy ny an' i Iemena. Sazy ara-dalàna ihany koa ao amin' ny Fanjakan' i Zamfara any Nizerià, izay manaraka ny Sharia, ampiharina manokana amin' ny Mozilmana, ny fanapahan-doha. Amin' ny fampiharana, i Arabia Saodita no hany firenena manohy manapaka ny lohan' ireo izay nanao heloka be vava. Fantatra ny fisian' ny fahatapahan-doha famonoan-tena amin' ny alalan' ny fanantonan-tena, ny fahatapahan-doha vokatry ny famonoan-tena amin' ny fiarandalamby.
Tsy dia mahazatra loatra ny fanapahan-doha atao amin' ny vatan' ny olona efa maty. Izany dia mety hatao mba hakana ny loha ho amboara, na ho dingana faharoa amin' ny famonoana amin' ny alalan' ny fanantonana aseho ny besinimaro, na mba hahatonga ny maty ho sarotra fantarina, na ho an' ny kriônia (fr), na noho ny antony hafa, esôterika (maizimaizina) kokoa.