Fanaovana tsatoboly

Ny fanaovana tsatoboly na tsatoboly dia fomba fampitomboana taranaka ny zavamaniry, izay miteraka foto-javamaniry vaovao avy amin' ny taova na ampahan-taova natokana (tapa-drantsana, ravina, faka, taho, sns).
Amin' ny fampiasana ny tsatoboly dia sarahina aloha ny taovam-pitomboana, avy eo ny fanirian' ny faka; tsy toy ny markôtazy izay misy famakana avy eo fanasarahana ny taovam-pitomboana. Amin' ny fanaovana tsatoboly dia mitovy fototarazo amin' ny zavamaniry reny ny zanany (ny tsatoboly), satria ampahan' io zavamaniry io fotsiny ity farany ity.
Ny fanaovana tsatoboly dia mety ho voajanahary (fizaràna ara-mekanika ny tala) na artifisialy (ataon' ny mpamboly tsy matianina na any amin' ny tanin-janakazo). Amin' ity tranga farany ity, dia ampiasaina ny teknikan' ny fanaovana tsatoboly mba hamokarana foto-javamaniry vaovao, satria io no fomba tsotra sy azo ampiharina ho an' ny zavamaniry izay ezahina hampitomboina isa, na satria tanjona manokana ny hananana foto-javamaniry mitovy tanteraka (mba hiantohana ny fahamarinan-toeran' ny toetran' ilay karazana tiana hampitombina isa).