Aller au contenu

Fanaovana ho fananam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanaovana ho fananam-pirenena dia famindrana ny fananan' olon-tsotra na fikambanana tsy miankina ho an' ny firenena iray, izany hoe ho lasa fananana iombonana. Matetika ny fanaovana ho fananam-pirenena no famindram-pananana amin' ny fanjakana. Mety hisy fiantraikany amin' ny fitaovam-pamokarana (orinasa, toeram-pitrandrahana, sns.), amin' ny sehatra ara-toekarena (banky), na amin' ny orinasa iray manokana ny fanaovana ho fananam-pirenena. Manampy izany ny fanolorana ho an' ny fiarahamonina ny isan-jaton' ny tombom-barotra sy fatiantoka ateraky ny famokarana indostrialy.

Tamin' ny taona maromaro taorian' ny nifaranan' ny Ady Lehibe Faharoa dia nahitana onjam-panaovana ho fananam-pirenena lehibe tany Eorôpa. Nisy anefa ny hetsika mifanohitra amin' izany tamin' ny taompolo 1980 tamin' ny alalan' ny fanaovana ho fananana tsy miakina ny fananana sasany an' ny firenena. Ohatra, efa nisy hatramin' ny Andro Taloha ny famindram-pananana tsy miakina ho an' ny vondrom-piarahamonina - ary nahafahana nanangona tany sy fananana ho an' ny daholobe tany Rôma fahiny.