Fanantenam-pahela velona
Fiseho

Ny fanantenam-pahela velona dia refy araka antontanisa anombanana ny salanisan' ny taona sisa hiainana avy eo amin' ny taona efa niainana. Iray amin' ny tondro be mpampiasa indrindra eo amin' ny sehatry ny vinavina momba ny mponina ny fanantenam-pahela velona, izay natao hanombanana ny haavon' ny fampandrosoana sy ny tondrom-pampandrosoana ny maha olona amin' ny firenena na faritra iray eto an-tany. Antony maro no mety hamatitra ny fanantenam-pahela velon' ny olona, toy ny fifohana sigara, ny fisotroana toaka, ny fototarazo na ny hetsika ara-batana. Voaporofo fa ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana dia mety hampitombo 9 taona eo ho eo ny androm-piainana.