Fananiham-bohitra barbariana
Fiseho

Ny fananiham-bohitra barbariana, na ny fifindrà-monina lehibe, dia andiana fifindrà-monina nataon' ny Barbariana tany amin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha, indrindra tany Eorôpa, nanomboka tamin' ny fahatongavan' ny Hona tany Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana tamin' ny taona 375, ary nifarana tamin' ny an' ny Lômbarda tany Italia tamin' ny taona 568 sy ny Slava tao amin' ny Empira Rômana Atsinanana tamin' ny taona 577. Io vanim-potoana io dia nahitana ny fisaratsarahan' ny Empira Rômana sy ny faharavan' ny faritra andrefany izay lasan' ny fanjakana maromaro naorin' ny vahoaka jermanika.