Aller au contenu

Fanandroana sinoa

Avy amin'i Wikipedia
Ny biby ao amin' ny zôdiaka sinoa

Ny fanandroana sinoa dia mifototra amin' ny hevitra astrônômika sy ny tetiandro nentim-paharazana naorina amin' ny tsingerina roa ambin' ny folo taona asehon' ny biby roa ambin' ny folo, matetika mifandray amin' ny rantsana mobma ny tany (地支, dizhi). Amin' ny fanoratra sinoa notsorina izany dia 占星术; fa amin' ny fanoratra sinoa nentinm-paharazana dia 占星術 ; amin' ny pinyin : zhānxīngshù ; 星学 / 星學, xīngxué ; 七政四馀 / 七政四餘, qīzhèng sìyú ou 果老星宗, guolaoxingzong.

Ireto biby-famantarana roa ambin' ny folo ireto (生肖, shēngxiào) dia miseho amin' ny filaharana toy izao manaraka izao:

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-20, dia tafiditra ao amin' ny kolontsaina malaza maro izy ireo. Ankehitriny, olona maro eran-tany no mahafantatra ny famantarana ny vontany ao amin' ny zôdiaka sinoa.

Satria natokana ho an' ny emperora ny fanandroana amin' ny kintana 111, ny ankamaroan' ny Sinoa dia mampiasa ny fanandroana Bazi (八字, bāzì, "endrika valo"). Mampanomboka ny taona amin' ny 4 na 5 Febroary izy io, amin' ny fiandohan' ny lohataona (立春, lichun), ary mifototra amin' ny taona, ny volana, ny andro, ary ny ora nahaterahana, izay samy asehon' ny tarehin-tsoratra roa: vatan-kazo any an-danitra sy rantsana eto an-tany.

Araka ny rafitra hafa, ny taona dia manomboka amin' ny Fetin' ny Lohataona, daty miovaova, miankina amin' ny tsinam-bolana, izay eo anelanelan' ny 20 Janoary sy 20 Febroary.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]