Fananahana

Ny fananahana dia dingana biôlôjika izay mamela ny famokarana zavamananaina vaovao amin' ny karazana iray avy amin' izay efa misy taloha tamin' io karazana io. Ankoatry ny fisakafoanana dia anisan' ny anjara asa lehibe iraisan' ny zavamananaina rehetra izany, izay miantoka ny fitohizan' ny karazana izay ho lany tamingana taha tsy misy fananahana.
Mety hiaraka amin' ny fanaparitahana eny amin' ny habaka ny fananahana. Izany dia ahafahan' ny zavamananaina manjanaka toerana vaovao sy mampitombo ny fahafahan' ny taranaka hitohy.
Ho an' ny mpanoratra sasany dia tokony hatokana ho an' ny fananahana andraisan' ny fitaovam-pananahana anjara ihany ny teny hoe "fananahana". Na izany aza, ao amin' ny literatiora, dia mahafaoka amin' ny ankapobeny ny fananahana misy fandraisana anjaran' ny fitaovam-pananahana sy ny fananahana tsy misy an' izany io teny io.
Ny fananahana, izay heverina ho fantatra tsara eo amin' ny zavamananaina, dia mampametraka fanontaniana maro momba ny evôlisiôna. Miovaova tokoa ny fahatetehan' ny fananahana misy fandraisana anjaran' ny fitaovam-pananahana sy ny tsy misy an' izany arakaraka ny karazana. Ny biôlôjista, raha ny marina, dia mahita fitohizana eo amin' ny fananahana andraisan' ny fitaovam-pananahana anjara sy ny tsy misy an' izany, izay ahitana ny fomba fananahana isan-karazany eo anelanelany rehetra.
Misy ny fiovaovana arakaraka ny toe-javatra, ny zavamananaina tsirairay, ny vondron-javamananaina amin' ny toerana iray ary ny karazana (biby, zavamaniry, holatra, bakteria sns), dia misy ny "saram-pananahana", toy ny loharanon-tsakafo sy angovo, izay atokan' ny zavamananaina tsirairay na ny karazana ho an' ny fananahana. Ireo sara ireo dia toa mitana anjara toerana lehibe amin' ny fizotry ny fifantenana voajanahary, izay azo anaovana fanadihadiana amin' ny fampiasana môdely mampitaha ny sarany amin' ny tombony.
Amin' ny tranga sasany dia maty ny zavamananaina efa lehibe rehefa avy namokatra atody be dia be ho tombontsoan' ny taranany (ohatra, ny trondro salmôna aorian' ny fanatodizana). Amin' ny tranga hafa dia mamokatra zanany vitsy ny biby mampinono be vatana, saingy manokana angovo be dia be amin' ny fitaizana sy fiarovana azy ireo, farafaharatsiny eo amin' ny fiandohan' ny fiainan' ireo zanany ireo.