Fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana

Ny fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana dia olana iray izay tsy ifanarahan' ny fiangonana kristianina. Ny kristianisma mihazona ny mahazatra dia mampianatra fa ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy dia fahotana ary ny fanambadiana masina dia tsy misy afa-tsy olona roa lahy sy vavy. Ireo tsy fitovian-kevitra ireo dia mifototra indrindra amin' ny fandikana ireo andalan-tsoratra samihafa ao amin' ny Baiboly miresaka ny amin' ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny lovam-pampianarana masina, ary any amin' ny fiangonana sasany momba ny fahatakarana samihafa momba ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy amin' ny resaka psikôlôjia, fototarazo ary angona siantifika hafa. Na dia samy manana fomba amam-panao sy fampianarana maro samihafa aza ny rafi-piangonana, ny kristianina tsirairay avy amin' ny lovam-pampianarana lehibe rehetra dia mandray anjara amin' ny fifanakalozan-kevitra azo ampiharina (ôrtôpraksia) momba ny fomba hamahana ilay olana.
Tantarany
[hanova | hanova ny fango]Misy tokoa ny fiangonana mankasitraka sy manamasina ny fanambadian' ny mitovy fananahana, indrindra fa ireo fiangonana any Amerika sy any Eorôpa. Ahitana ireo fiangonana ireo ny firehana maro ao amin' ny kristianisma, indrindra ny fiangonana kristiana liberaly (izay mety ahitana izany ny fiangonana loterana sasany, anglikana sasany, presbiteriana sasany sns). Ny eglizy katôllika apôstôlika rômanina dia tsy mitso-drano ny fanambadian' ny mitovy fananahana.
Tamin'ny taona 1969, ny mpitandrina Troy Perry, avy amin'ny fiangonan metropolitan'ny fiarahamonina, dia nanamasina ny fanambadian'ny zazalahy roa avy ao Los Angeles.[1]
Tamin'ny taona 1974, ny pastora William R; Johnson avy amin'ny fiangonana mitambatra kristiana sy ny profesora Sally Miller Gearhart avy amin'ny oniversiten' ny State any San Francisco dia namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Loving Women/Loving Men: Gay Liberation and the Church ", izay manohana tsy am-piambahambahana fa ny fanambadiana dia fifanarahana, tsy misy fanavahana na amin'ny lahy na amin'ny vavy.[2]
Nanomboka ny taona 1978, maro ny teolojiana no nanohana ny firehan-kevitra milaza fa ny fifandraisana lalina nisy teo amin'i Davida sy Jona dia mety ho fototra ara baiboly momba ny fanambadiana mitovy fananahana.[3]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Jason Pierceson, Same-Sex Marriage in the United States: The Road to the Supreme Court and Beyond, Bloomsbury Publishing, UK, 2014, p. 32
- ↑ Clare Herbert, Towards a Theology of Same-Sex Marriage: Squaring the Circle, Jessica Kingsley Publishers, London, 2020, p. 123
- ↑ Julia M. O'Brien, The Oxford Encyclopedia of the Bible and Gender Studies, Oxford University Press, USA, 2014, p. 259