Fanabeazana ara-pananahana

Miha-zava-dehibe ny fanabeazana ara-pananahana , indrindra hoan'ny tanora , eo anatrehany fiovana sy fivoaran'ny fiarahamonina ankehitriny .Raha Mbola tsy dia mazava tsara sy heverina ho lohahevitra saro-tantaraina eto Madagasikara io resaka io , dia miseho amin'ny endrika mibaribary ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahalalana ampy momba azy io . Ao ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka aloha loatra , ary ny fanararaotana ara-nofo
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Fanabeazana ara-panaahana dia fomba fampianarana mikasika ny vatana, ny firaisana ara-nofo, ny fitondrana tena, ny fifandraisana, ary ny fiarovana amin’ny aretina sy fitondrana vohoka tsy niriana. Izy io dia tsy voafetra amin’ny resaka ara-batana fotsiny, fa mandrakotra ihany koa ny lafiny ara-tsaina, ara-piarahamonina, ary ara - kolotsaina.
[1]. .
Tantarany
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny taona 1955 no nahitana voalohany ny fanabeazana ara-pananahana an-tsekoly tany Soeda. Efa taty amin'ny taona 1968 izany vo hita tany Alemaina, 1970 s izany vo hita taratra tany Skandinavy, Pays-Bas, Soisa, Aotrisy, efa taty amin'ny taona 1990 sy 2000 izany vao hita tany Frantsa, Angletera, Portogaly,...[2]
Antony sy fiantraikany
[hanova | hanova ny fango]Ny antony iray lehibe hanamafisana fanabeazana ara-nofo dia ny fahanteran'ny fahalalana sy ny tsy fahampian' ny fampianarana manokana amin'izany. Betsaka ny tanora tsy mahafantatra tsara momba ny Antony sy ny fiiraisana ara-nofo , ka izany dia mitarika : fitondrana vohoka aloha loatra , fiterahana tsy niriana , fanolanana sy fanararaotana ara-nofo , fiparitahan' ny VIH/SIDA sy ny aretina mifindra avy aminin'ny firaisana .
Fepetra ara-dalalana
[hanova | hanova ny fango]
Tany Tajikistan, tamin'ny 25 Febroary 2015, lany tao amin'ny antenimieram-pirenena ny lalàna manambara fa hampianarina any amin'ny sekoly ambony ny fanabeazana ara-pananahana, izy io dia ho fanovana sy fanitsiana ny lalàna momba ny zo ara-pananahana.[3]
Tany amin'ny taoana 2006, tany Filipina anefa, nanohitra ny fisian'ny fanabeazana ara-pananahana tsy ho ao anaty taranja ianarana ny sekoly katolika noho izy io mamparisika ny zatovo hiditra amin'ny resaka firaisanan ara-nofo fa notohizana natao tany amin'ny sekolim-panjakana ihany io taranja io.[4]