Famosaviana
Ny famosaviana, eo amin' ny kolontsaina malagasy, dia fihetsika amam-pombafomba rehetra atao mba hampahomby fampiasana ody manimba ny hafa sy hitehirizana ny herin' ny ratsy. Atao hoe mpamosavy ny olona mampiasa izany ody sy hery ratsy izany. Ho an’ ny Malagasy dia vokatry ny famosaviana ny aretina. Isaky ny miatrika aretina somary mifono zava-miafina ny Malagasy, na marary tampoka, dia mihevitra fa nisy ny famosaviana na ny vorika. Nihena izany fiheverana izany rehefa nanjary takatra kokoa ny niandohan' ny aretina sasany. Inoan' ny maro ho afaka miova ho biby, manidina eny amin' ny rivotra, mahatonga aretina, ary mifehy ny zavaboary ny mpamosavy.
Endrika isan-karazan' ny famosaviana
[hanova | hanova ny fango]Miseho amin’ ny endrika isan-karazany ny famosaviana, manomboka amin’ ny fampiasana ody ka hatramin’ ny fanao maizimaizina sy ratsy.
Ny fampiasana ody ratsy
[hanova | hanova ny fango]Ny ody ratsy dia ody mahery izay anaovana fombafomba mba hisy vokany ratsy. Azo ampiasaina izy ireny mba hahatonga aretina sy loza tampoka ary fahafatesana mihitsy aza.
Ny fiovana ho biby
[hanova | hanova ny fango]Miely patrana ny finoana ny fahaizan’ ny mpamosavy hiova ho biby, matetika saka, alika na voay. Amin' ity endriky ny famosaviana ity dia afaka mihetsika mora kokoa izy ireo ary manao asa ratsy tsy lisy mahafantatra.
Ny fisidinana amin' ny alina
[hanova | hanova ny fango]Inoan' ny olona fa misy mpamosavy mahay manidina amin’ ny alina, indraindray amin’ ny endrika tsy azo tsapain-tanana, mba hanatratrarany ny olona tiany ho velezina amin' ny asa ratsiny.
Ny fifandraisana amin' ny maty
[hanova | hanova ny fango]Afaka mampiasa ody koa ny mpamosavy mba hifandraisany amin’ ny fanahin’ ny maty mba hampahomby kokoa ny odiny. Fantatra koa fa mandihy eny ambony fasana ny mpamosavy. Io fanao io dia heverina ho fomba iray ifandraisany amin' ny fanahin' ny maty sy ahazoana ny fanampiany.
Ny fiompiana vorondolo sy kary
[hanova | hanova ny fango]Inoan' ny olona koa fa miompy vorondolo sy kary ny mpamosavy. Ny vorondolo dia heverina ho iraka amin' ny alina ary fambara ratsy. Heverina fa misy ifandraisany amin’ ny fanahy isan-karazany izy io ary azon’ ny mpamosavy ampiasaina amin’ ny asa ratsiny. Matetika no heverina ho famantarana ny fahafatesana na loza ny feony. Ny kary kosa dia heverina ho biby fetsy, manana hery miafina. Inoana fa ny mpamosavy dia afaka manova ny tenany ho kary na mampiasa io biby io amin' ny fanaovana ny asa ratsiny. Ny vorondolo sy ny kary dia biby tsy matory amin’ ny alina, toy izany koa ny mpamosavy izay manao ny asany amin’ ny alina sy amin’ ny maizina.
Ny fisoavaliana olona
[hanova | hanova ny fango]Misy ny finoan' ny besinimaro fa ny mpamosavy dia mitaingina ny olona tratrany eo am-patoriana. Araka io finoana io, ny olona tratran' ny mpamosavy dia mahatsiaro tena ho malemy sy hahatsapa ho itaingenan-javatra na gejain-javatra tsy hita maso na fanahy ratsy.