Famolahana ho fihary

Ny famolahana ho fihary ny karazam-biby na karazan-javamaniry dia fikarakarana azy ireo mba hahazoana na hahaverezana na hivoaran' ny toetra ara-batana na ara-pihetsika vaovao sy ifandovana ao aminy, amin' ny alalan' ny fifampikasohana maharitra sy fanaraha-maso na fifantenana niniana nataon' ny olombelona. Raha biby dia famolahana ho fiompy fa raha biby dia famolahana ho famboly.
Ny famolahana dia miteraka fiovana lalina na tsia eo amin' ny lovam-pototarazon' ny karazan-javamananaina, na koa ny fiforonan' ny karazana misaraka ara-pototarazo (tsy mifampiteraka amin' ny karazana niandohana). Amin' ny lafiny biôlôjika, ireo fiovana rehetra ireo dia mahaforona ny fahasamihafan-karazan' ny zavamananaina ompiana na volen' ny olombelona sady nanaovany fifantenana. Ny fanovana dia manomboka amin' ny fitokanan' ny vondrona zavamananaina iray (fitokanana tsotra amin' ny karazana dîa vokatry ny fampiterahana) amin' ny fiovan' ny fototarazo ka hatramin' ny famoronana karazana vaovao. Fiteny ny hoe karazana na zavamaniry na biby voafolaka hovolena na hompina.
Ny famolahana dia asa ataon' ny olombelona hatramin' ny ela, nialoha ny fonenana maharitra sy ny fambolena amam-piopiana (famolahana ny alika ho azo ompiana na ny aviavy ho azo volena nataon' ny mpihaza tamin' ny Paleôlitika).
Amin' ny heviny mivelatra dia iresahana momba ny viriosy nofolahina ho fiompy avy amin' ny viriosy taloha nampidirina ao anatin' ny zenôman' ny zavamananaina iray, izay tsy manana hery mitondra aretina intsony nefa ny fisian' ny fototarazo sasany dia mahasoa an' ilay zavamananaina.