Hankany amin'ny vontoatiny

Fambolena mangahazo

Avy amin'i Wikipedia

Malpighiales_-_Manihot_esculenta_-_1Ny fambolena mangahazo dia ny fambolena zavamaniry maharitra anè-taonany, dia ny mangahazo (Manihot esculenta), indrindra mba hahazoana vodiny misy tavolo. Voly manan-danja amin' ny faritra mafana eran' izao tontolo izao izy io, satria manome sakafo fototra ho an' ny mponina maro.

Fisafidiana ny tany

[hanova | hanova ny fango]

Tsy mety amin’ ny fambolena mangahazo ny haavo mihoatra ny 1 500 m. Tany manana fisolampy tsy mihoatra ny 12 % no mety. Tany maivana, mamasipasika, tsy mifatratra ary tsy mitana hamandoana be loatra: baiboho, tany vao novakiana. Azo atao manaraka ny voly mamoa vomaina ny voly mangahazo.

Fanomanana ny tany

[hanova | hanova ny fango]

Atao amin' ny volana Mey-Jona ny vadibainga mba ho lo tsara ny akora sisa tavela (tamin' ny voly fahavaratra). Raha asa tany marindrano dia manisy zezi-pahitra atao ambany, potehina tsara ny bainga alohan' ny hambolena. Ny halalin' ny soriboly dia 25 hatramin' ny 30 sm, ary ny elanelan' ny soritra dia 80 hatramin' ny 100 sm. Ny dongodongona dia tokony hanana haavo 25 hatramin' ny 30 sm, sy mielanelana 1m.

Ny vokavoka dia tokony hanana haavo 25 hatramin' ny 30 sm, misaritaka ka mielanelmana 1 m isaky ny vokavoka anaty lavaka na mangahazo mifahy: haben' ny lavaka 1x1 m; halaliny 0,50 m; fako manta no hamenoana ny lavaka ka mihamasaka miaraka amin’ ny fitomboan' ny mangahazo izy ireo, tany mena 15 sm no hanotofana ny antotam-pako ary tany 15 sm amboniny itsatohan' ny taho mangahazo.

Azo ampiasaina ny zezi-pahitra: 20 – 30t/ha. Azo ampiasaina koa ny zezika mineraly:

  • NPK 11 22 16:150 200 kg/ha raha fambolena marindrano;
  • NPK 11 22 16: 15 – 20 g isan-davaka raha dongodongona;
  • Dôlômita 500: 1 000 kg/ha raha tany misy siaka fa afafy miaraka amin’ ny zezi-pahitra atao ambany asa ary ajanona iray volana alohan' ny hambolena.

Fambolena

[hanova | hanova ny fango]

Fotoana : Voly fahavaratra na "silamaintso/silataho" (Oktobra – febroary) Voly ririnina na "sehapanala" (Mey – jiona)

Fomba fambolena :Taho madio, matoy tsy voan'ny aretina no ambolena. Masony 2 no alentika any anaty tany ary 2 – 3 no tokony hipoitra. Kendrena mba tsy hifotItra ny masony. Fanosohana raha misy maty

Manihot_esculenta,_the_Cassava_plant_(17254469394)

Fikojakojana

[hanova | hanova ny fango]

Fiavana: in-2 na in-3 mandritra ny fotoampambolena.

Fiotazana

[hanova | hanova ny fango]

Arakaraky ny toetany sy ny toetrandro ary hampiasana ny vokatra (12 – 20 volana)

Vokatra andrandraina: 20 - 30t/ha.