Aller au contenu

Fambolem-bary

Avy amin'i Wikipedia
Fambolem-bary amin' ny farafaran-tany

Ny fambolem-bary dia fitambaran' ny teknika sy fanao ampiasaina amin' ny famokarana vary (indrindra ny Oryza sativa sy ny Oryza glaberrima). Asa tena ilaina any amin' ny firenena maro, indrindra any Azia sy Afrika, izay manao ny voan' io zavamaniry io ho foto-tsakafo.

Niseho tamin' ny vanim-potoana Neôlitika ny fambolem-bary. Ny fambolem-bary amin' ny tany tsy tondraka rano no tranainy indrindra; izany dia mbola ataon' ny mponina manao fambolena nentim-paharazana, toy ny vahoaka teratany sasany ao Filipina. Tsy ahazoana ilay vokatra goavana omen' ny tanimbary anaty rano, izay nanjaka na aiza na aiza raha ahafahana manao izany ny toetany. Ny fitomboan' ny vary dia mitaky hafanana be sy rano be fa tsy toy ny varimbazaha, noho izany ny famokarana azy dia voafetra amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly ary amin' ny sisin' ny faritra manana toetany antonony.

Ny fambolen-bary dia anisan' ny fototry ny Revôlisiôna Maitso nanomboka tamin' ny taompolo 1960 ka hatramin' izao fotoana izao, nefa tsy nisy fiantraikany ara-tsôsialy sy ara-toekarena amin' ny tantsaha, sady niterala fifindra-monina avy any an-tanàn-dehibe vokatry ny fampiasana ny mekanika; ny fampiasana betsaka ny agrôsimia (zezika, poizina famonoana zavamananaina mpanimba), avy eo ny zavamaniry basiam-panovana ara-pototarazo, dia nisy fiantraikany ratsy lehibe teo amin' ny fahasamihafan' ny karazan-javamananaina, ho an' ny zavamananaina manatsara ny fambolena ary ho an' ny fahasalaman' ny mpamboly vary.