Famatsiam-bola madinika eto Madagasikara
Ny famatsiam-bola madinika eto Madagasikara dia rafitra ara-bola dia manome fahafahana hidiran' ny fianakaviana tsy ampy fidiram-bola amin' ny fampindramam-bola madinika sy ny tolotra ara-bola hafa mifandraika izay tsy hita ao amin' ny rafitra ara-bola mahazatra na ara-dalàna. Mitana anjara toerana lehibe izy ireo amin' ny fampidirana ao amin' ny rafitra fampindramam-bola ny mponina mahantra sy monina ambanivohitra, izay matetika tsy tafiditra amin' ny banky mahazatra.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Ny famatsiam-bola madinika dia tolotra ara-bola rehetra (firosana, tahiry, fiantohana, famindrana) atolotra ho an' ny olona kely fidiram-bola. Eto Madagasikara dia fehezin' ny Lalàna laharana faha-2005-046 sy ny Agence de Supervision de la Microfinance (ACM) izay sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny rafitra ara-bola madinika, izay tompon' andraikitra eo anivon' ny Banky Foiben' i Madagasikara.
Mpisehatra
[hanova | hanova ny fango]Anisan' ny mpisehatra amin' ny famatsiam-bola madinika eto Madagasikara ny Caisse d'Épargne et de Crédit Agricole Mutuels (CECAM) izay tambajotram-piaraha-miasa eny ambanivohitra, mifandray ara-tantara amin' ny hetsiky ny tantsaha, ny OTIV (fanafohezana ny hoe Organisme de tiers investissement villageois), ny MicroCred Madagascar (izay lasa nantsoina hoe Baobab, ara-barotra); ny Vola Mahasoa, ny SIPem, ny AIDE, sns. Tamin' ny taona 2023 dia manodidina ny 40 ny orinasa miompana amin' ny famatsiam-bola madinika nahazo alalana, anisan' izany ny dimy ambin' ny folo miasa izay anisan' ny matanjaka indrindra.
Ny tolotra
[hanova | hanova ny fango]Betsaka ny tolotra azo omena izay miditra ao amin' ny sehatry ny famatsiam-bola madinika, anisan' izany ny fampindramam-bola madinika: matetika ampiasaina ho an' ny orinasam-barotra madinika sy ny fambolena ary ny fiompiana; ny kaonty tahiry (ho an' olon-tokana na iombonana); ny fiantohana (fahasalamana, fahafatesana); ary ny tolotra nomerika (fandoavam-bola amin' ny finday sy ny fampiasana ny nomerika amin' ny fikirakiram-bola)
Ny mpahazo tombontsoa
[hanova | hanova ny fango]Miorina tsara ny famatsiam-bola any amin' ny faritra afovoany sy avaratra, saingy tsy dia misy loatra any atsimo, any atsinanana ary any ambanivohitra any andrefana, izay avo kokoa ny fahantrana. Amin' ny mpahazo tombontsoa dia vehivavy ny 60 % eo ho eo. Ao koa ny mpamokatra madinika eny ambanivohitra sy ny mpandraharaha madinika amin' ny sehatra tsy ara-dalàna
Fiantraikany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanadihadiana nataon' ny Banky Maneran-Tany sy ny Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit (GIZ), dia mampiroborobo ny fizakan-tena ara-toekarena ny famatsiam-bola madinika, indrindra ho an' ny vehivavy. Milaza koa izy ireo fa mampihena ny fahamarefo vokatry ny fikorontanan' ny toekarena sy ny toetany izany. Ny hakelin' ny vola sy ny hakelin' ny fahasamihafan' ny vokatra ary ny tsy fahampian' ny fanabeazana ara-bola dia mametra ny fiantraikany maharitra.
Olana
[hanova | hanova ny fango]Betsaka ny olana sedrain' ny mpisehatra amin' ny famatsiam-bola madinika, anisan' izany ny trosa be loatra alain' ny mpanjifa sasany tsy ampy fahalalana; ny tahan-janabola ambony (matetika mihoatra ny 30 % isan-taona); ny fahambanin' ny fampiasana ny nomerika amin' ny rafitra ambanivohitra; ny mety hisian' ny hosoka na ny fitantanana ratsy ao amin' ny orinasa misahana famatsiam-bola madinika sasany; ny tokony hisian' ny fanamafisana ny fahaiza-manaon' ny mpiasa sy ny fanaraha-maso.
Ny hoavy
[hanova | hanova ny fango]Ny governemanta, miaraka amin' ny mpiara-miombona antoka aminy (AFD, UNCDF, PNUD), dia mamporisika ny fampiasana ny fitaovana nomerika amin' ny famatsiam-bola madinika; ny fanitarana any amin' ny faritra lavitra; ny "famatsiam-bola maitso" sy vokatra mahatanty ny fiovan' ny toetany: ny fanabeazana ara-bola amin' ny alalan' ny sekoly sy onjam-peo.
Lalàna sy fanaraha-maso
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin' ny taona 2017, tsy maintsy nanaraka ny lalàna momba ny fampiasana fitaovana nomerika sy ny fanaraha-maso nohatsaraina ary ny adidy amin' ny fiarovana ny mpametra-bola ny orinasa famatsiam-bola madinika.
Ny lalàna
[hanova | hanova ny fango]Lalàna laharana faha-96-020
[hanova | hanova ny fango]Ny Lalàna laharana faha-96-020 tamin' ny 4 Septambra 1996 dia nametraka ny rafitra ho an' ny orinasa mpampiasa vola ifanampiana (institutions financières mutualistes - IMF), anisan' izany ny caisses d’épargne sy fampindramam-bola ifotony. Io lalàna io dia namaritra ny foto-pitsipika mifehy ny fiasan' ny fifanampiana ara-bola ambanivohitra (mutuelles rurales) toy ny fidirana ho mpikambana an-tsitrapo, fitovian' ny zon' ny mpikambana, tolotra atokana ho an' ny mpikambana)[1][2][3][4].
Lalàna laharana faha-2005-016
[hanova | hanova ny fango]Ny Lalàna laharana faha-2005-016 tamin' ny 29 septambra 2005 dia fanavaozana ny rijan-teny mifehy ny rafitra famatsiam-bola madinika (microfinance), manolo ny fepetra teo aloha.
Ity lalàna ity dia mamaritra ny rafitra ara-bola madinika (institutions de microfinance), miara-miasa na tsia, mamaritra ny iraka ampanaovina azy ireo (fitahirizam-bola, fampindramam-bola, tolotra mifameno amin' izany) sy ny fandaminana ao aminy: fitantanana, fanaraha-maso anatiny sy ivelany, ary ny fahafahany hiova ho amin' ny satan' ny banky anaty fizaràn-tany voafaritra[1][2][4][5].
Ny andininy faha-10 dia mamaritra ny MFI mifampitsinjo: mifototra amin' ny firaisankina, ny olona iray dia vato iray, ny tolotra natokana ho an' ny mpikambana.
Lalàna laharana faha-2017-026 tamin' ny 7 Desambra 2017
[hanova | hanova ny fango]Ny Lalàna laharana faha-2017-026 tamin' ny 7 Desambra 2017 dia misolo ny lalàna tamin' ny taona 2005 ary manavao an' ilay sehatra. Ity lalàna ity dia mampiditra ny fampindramam-bola madinika tsy manilika (microfinance inclusive):
- manasokajy ny orinasa mpampiasa vola ifanampiana araka ny môdely tandrify azy avy (ny rafitra mpanangona tahirim-bola na tsia, rafitra mpampindram-bla fotsiny);
- mametraka fitsipika mifanentana amin' ny risika, miaraka amin' ny fenitry ny fahamalinana ho an' ireo rafitra manangona petra-bola[4][2][3][5][6][7];
- mandidy amin' ny fanokafana tolotra ara-bola nomerika (mpiasa, vola elektrônika, fantsona nomerika)[6];
- natao ho fiarovana ny mpanjifa, tsy hisian' ny fanilihana fa hampiditra, fanamafisana ny fanaraha-maso, fananana tahirim-bola antoka ho an' ny fametraham-bola ary famahana ny olanan' ny rafitra famatsiam-bola madinika misedra fahasahiranana[4][5].
Ny rafitra mpanara-maso
[hanova | hanova ny fango]Maromaro ihany ny rafitra ivelany izay afaka manara-maso ny orinasa famatsiam-bola madinika. Ny lehibe amin' ireo dia ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) sy ny Ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola.
Ny Commission de Supervision Bancaire et Financière
[hanova | hanova ny fango]Ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) dia rafitra tsy miankina amin' ny fanjakana nefa miankina amin' ny Banky Foiben' i Madagasikara, noforonin' ny Lalàna faha-95-030 tamin' ny 1995. Manaramaso ny orinasa famatsiam-bola madinika izy, manamarina ny fanarahan-dalàna ao amin' izy ireo, mametraka fepetra fanitsiana, manome sazy raha misy ny tsy mety, ary afaka mametraka azy ireo ho amin' ny fitantanana vonjimaika[8][6].
Ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola
[hanova | hanova ny fango]Ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola dia afaka manara-maso ny orinasa famatsiam-bola madinika, amin' ny alalan' ny Direction générale du Trésor (DGT) sy ny Coordination National de la Microfinance (CNMF), sady miantoka ny fanaraha-maso ny pôlitika ankapobeny sy ny fanetsehana ny tahirim-bola nataon' ny fanjakana na avy any ivelany, ary ny firindrana stratejika amin' ny pôlitikam-pirenena. Rafitra noforonina tamin' ny taona 1996 ny CNMF mba handrindrana ny pôlitikam-panjakana, hanatsara ny lalàna mifehy ny sehatra ary hanamora ny fifandraisana eo amin' ny mpisehatra.
Ny rafitra hafa
[hanova | hanova ny fango]Misolo tena ny orinasa famatsiam-bola madinika ny Association Professionnelle des Institutions de MicroFinance (APIMF), mamolavola fitsipika etika miaraka amin' ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) ary afaka manambara ny mpisehatra tsy manara-dalàna.
Mba hiadiana amin' ny famotsiam-bola, ny orinasa famatsiam-bola madinika dia tsy maintsy mampita vaovao sasantsasany amin' ny Service d'Appui à l'Information Financière (SAMIFIN) sy mamela azy hijery ny fomba fiasa anatiny.
Mba hisorohana ny trosa be loatra dia andalam-pamboarana ny angon-drakitra momba ny fitrosam-bola izay azon' ny CSBF sy ny Banky Foiben' i Madagasikara jerena, izay natao hanaraha-maso sy hampihenana ny risika mety hitranga amin' ny findramam-bola.
Manan-jo hanara-maso ny asan' ny orinasa famatsiam-bola madinika novatsiany vola ny mpamatsy vola. Afaka manao fihainoana sy fanamarinana ara-teknika izy ireo. Raha misy tsy fanarahan-dalàna dia azon' izy ireo atao ny manome fepetra momba ny fanohanany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Azo anovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- "2022 Impact Report", Baobab Group
- "2023 Impact Report", Baobab Group
Ny Lalàna faha-96-020
- "Loi 96-020", www.mef.gov.mg
- "Lalàna N° 96-020 tamin' ny 4 septambra 1996 anaovana fitsipika momba ny asa amandraharahan' ny orinasa mpampiasa vola ifanampiana sy andaminana ny firafiny", www.droit-afrique.com
Ny Lalàna faha-2005-016
- "LOI n°2005 - 016 relative à l'activité et au contrôle des institutions de microfinance", www.droit-afrique.com
- "Loi n° 2005 - 016 du 29 septembre 2005 relative a l'activite et au controle des institutions de microfinance", www.mef.gov.mg
Ny Lalàna faha-52017-026
- "Loi n° 2017 - 026 du 07 décembre 2017 sur la microfinance", www.mef.gov.mg
- "Loi n° 2017 – 026 sur la Microfinance", www.assemblee-nationale.mg
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 "Loi no 96-020 du 4 septembre 1996 portant réglementation des activités et organisation des institutions financières mutualistes", natlex.ilo.org
- ↑ 2,0 2,1 et 2,2 "Les Institutions de Microfinance Malgaches Face À La Crise: Quelles Premières Leçons Tirer? (AFD - 2011)", fr.scribd.com
- ↑ 3,0 et 3,1 "Loi n°2017-026 Sur la Microfinance", textes.lexxika.com
- ↑ 4,0 4,1 4,2 et 4,3 "Loi n°2017-026 du 07 décembre 2017 sur la Microfinance", leap.unep.org
- ↑ 5,0 5,1 et 5,2 "Loi n°2017-026 du 07 décembre 2017 sur la Microfinance", www.ecolex.org
- ↑ 6,0 6,1 et 6,2 "Loi n°2017-026 du 08 Février 2018 Sur la Microfinance", textes.lexxika.com
- ↑ "Loi n°2020-005 sur les assurances", www.studocu.com
- ↑ "La micro finance et ses contributions", www.clicours.com