Famatsiam-bola madinika
Ny famatsiam-bola madinika rafitra ara-bola dia manome fahafahana isan-karazany hidirana amin' ny fampindramam-bola sy ny tolotra ara-bola hafa mifandraika amin' izany ho an' ny olona tsy tafiditra amin' ny rafitra ara-bola mahazatra na ara-dalàna noho izy ireo tsy manana fidiram-bola hahazoana miditra amin' ny banky. Ny mponina sahirana any amin' ny tany an-dalam-pandrosoana no kendrena amin' izany amin' ny ankapobeny.
Amin' ny ankapobeny, ny famatsiam-bola madinika dia mikendry ny hahafahan' ny tokantrano sahirana betsaka indrindra hahazo fidirana maharitra amin' ireo tolotra ara-bola manara-penitra sy mifanaraka amin' ny filan' izy ireo, anisan' izany ny fampindramam-bola sy firahirizam-bola fitsinjo, ny fiantohana ary ny famindrana tahirim-bola ihany koa.
Amin' ny heviny tery kokoa dia manondro rafitra na orinasa miankina amin' ny fanjakana na tsy miankina sasantsasany izay milaza ho misahana famatsiam-bola madinika ny famatsiam-bola madinika.