Hankany amin'ny vontoatiny

Famata

Avy amin'i Wikipedia

Ny famata dia zavamaniry isan-karazany ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, na zavamaniry tsy misy raviny ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae. Ireto ireo karazan-javamaniry atao hoe famata ireo:

  • Fianakaviana Euphorbiaceae
    • Euphorbia xylophylloides Brongn. ex Lem. (← Euphorbia enterophora Drake) --- betinay na famata
    • -- famata, famatalaro, famataletandro
    • Euphorbia alluaudii Drake (← Euphorbia leucodendron Drake na Euphorbia oncoclada Drake) -- befohetsy, befotsy, betondro, famata, famatabetondro, famatambotsy, rohondro
    • Euphorbia decorsei Drake -- famata, famatafotsy
    • Euphorbia stenoclada Baill. -- famata, famatabotribotrika, famatabotrika, famata-hamatse, hamatra, hamatse, hamatsy, hamotse, mosotse
    • Euphorbia tetraptera Baker -- famata
    • Euphorbia tirucalli L. (← Euphorbia geayi Constantin et Gallois na Euphorbia laro Drake) -- famata, famatafotsy, famatalaro, famataletandro.
  • Fianakaviana Apocynaceae

Ny toetra iombonan' ireo zavamaniry ireo

[hanova | hanova ny fango]

Tena manimba ary mety hahatonga fahajambana raha sendra tafiditra ao anaty maso ny ranony mandronono sady misy poizina. Ny fampiasana ny ranon' ny rongy (Kalanchoe beharensis Drake, ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae) anadiovana ny maso no fitsaboana izany. Ampiasaina ho poizina fanamamoana trondro ny tahon' ireo Euphorbia ireo izay nototoina sy nafangaro amin' ny rano.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]