Falco peregrinus

Ny Falco peregrinus dia vorona mpihaza ao amin' ny fianakaviana Falconidae. Karazam-borona matanjaka manana habe salantsalany izy io, izay malaza amin' ny maha vorona manidina mitsoriaka haingana indrindra eran-tany (320 km/ora mahery mandritra ny fihazana). Saika vorona hafa ihany no rembiny, fa ny sasany koa dia mety mihaza biby madinika an-tanety. Tsy manamboatra akany io vorona io, ary eny amin' ny hantsana no tena fonenany, mahalana kokoa eny amin' ny hazo, na fanorenana, na trano avo. Nihena be ny isan' izy ireo tao taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, indrindra noho ny fandotoana vokatry ny fampiasana ny poizina DDT. Hatramin' ny niarovana azy tamin' ny taompolo 1970 dia nitombo indray ny isany.
Mandrakotra 10 000 000 km² any hoany ny tsinjara faritr' itỳ karazana itỳ. Misy ovan-karazany roapolo eo ho eo izy io ary anisan' ny vorona manana faritra lehibe indrindra eran-tany, hita any amin' ny kôntinanta rehetra afa-tsy ny Antarktika. Matetika izy io dia tezaina nefa koa noheverina ho vorona mpanimba tany Eorôpa, toy ny Falconidae hafa, ary nenjehina noho izany antony izany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Falco
- Hitsikitsika (Falco newtoni)